Darby's Translation

Malagasy

Psalms

116

1I love Jehovah, for he hath heard my voice [and] my supplications;
1[Fisaorana nataon'izay saiky maty, nefa novonjen'Andriamanitra] Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.
2For he hath inclined his ear unto me, and I will call upon him during [all] my days.
2Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
3The bands of death encompassed me, and the anguish of Sheol took hold of me; I found trouble and sorrow:
3Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola]
4Then called I upon the name of Jehovah: I beseech thee, Jehovah, deliver my soul.
4Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5Gracious is Jehovah and righteous; and our God is merciful.
5Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6Jehovah keepeth the simple: I was brought low, and he saved me.
6Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
7Return unto thy rest, O my soul; for Jehovah hath dealt bountifully with thee.
7Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8For thou hast delivered my soul from death, mine eyes from tears, my feet from falling.
8Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
9I will walk before Jehovah in the land of the living.
9Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
10I believed, therefore have I spoken. As for me, I was greatly afflicted.
10Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho]
11I said in my haste, All men are liars.
11Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
12What shall I render unto Jehovah, [for] all his benefits toward me?
12Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13I will take the cup of salvation, and call upon the name of Jehovah.
13Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.
14I will perform my vows unto Jehovah, yea, before all his people.
14Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra.
15Precious in the sight of Jehovah is the death of his saints.
15Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.
16Yea, Jehovah! for I am thy servant; I am thy servant, the son of thy handmaid: thou hast loosed my bonds.
16Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
17I will offer to thee the sacrifice of thanksgiving, and will call upon the name of Jehovah.
17Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.
18I will perform my vows unto Jehovah, yea, before all his people,
18Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
19In the courts of Jehovah's house, in the midst of thee, O Jerusalem. Hallelujah!
19Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.