1{A Song of degrees. Of Solomon.} Unless Jehovah build the house, in vain do its builders labour in it; unless Jehovah keep the city, the keeper watcheth in vain:
1[Ny fahatsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy ambinin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2It is vain for you to rise up early, to lie down late, to eat the bread of sorrows: so to his beloved one he giveth sleep.
2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.
3Lo, children are an inheritance from Jehovah, [and] the fruit of the womb a reward.
3Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.
4As arrows in the hand of a mighty man, so are the children of youth.
4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
5Happy is the man that hath filled his quiver with them. They shall not be ashamed when they speak with enemies in the gate.
5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.