Darby's Translation

Malagasy

Psalms

138

1{[A Psalm] of David.} I will give thee thanks with my whole heart; before the gods will I sing psalms of thee.
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany, izay mbola heken'ny mpanjaka rehetra] Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
2I will bow down toward the temple of thy holiness, and celebrate thy name for thy loving-kindness and for thy truth; for thou hast magnified thy word above all thy name.
2Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra.
3In the day when I called thou answeredst me; thou didst encourage me with strength in my soul.
3Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
4All the kings of the earth shall celebrate thee, Jehovah, when they have heard the words of thy mouth;
4Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy.
5And they shall sing in the ways of Jehovah, for great is the glory of Jehovah.
5Eny hihira ny amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah.
6For Jehovah is high; but he looketh upon the lowly, and the proud he knoweth afar off.
6Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.[Na: Fa avo Jehovah ka]
7Though I walk in the midst of trouble, thou wilt revive me: thou wilt stretch forth thy hand against the anger of mine enemies, and thy right hand shall save me.
7Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.
8Jehovah will perfect what concerneth me: thy loving-kindness, O Jehovah, [endureth] for ever; forsake not the works of thine own hands.
8Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.