Darby's Translation

Malagasy

Psalms

30

1{A Psalm of David: dedication-song of the house.} I will extol thee, Jehovah; for thou hast delivered me, and hast not made mine enemies to rejoice over me.
1[Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2Jehovah my God, I cried unto thee, and thou hast healed me.
2Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3Jehovah, thou hast brought up my soul from Sheol, thou hast quickened me from among those that go down to the pit.
3Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
4Sing psalms unto Jehovah, ye saints of his, and give thanks in remembrance of his holiness.
4Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.[Heb: fahatsiarovana]
5For a moment [is passed] in his anger, a life in his favour; at even weeping cometh for the night, and at morn there is rejoicing.
5Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
6As for me, I said in my prosperity, I shall never be moved.
6Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
7Jehovah, by thy favour thou hadst made my mountain to stand strong: thou didst hide thy face; I was troubled.
7Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
8I called to thee, Jehovah, and unto the Lord did I make supplication:
8Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9What profit is there in my blood, in my going down to the pit? shall the dust praise thee? shall it declare thy truth?
9Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
10Hear, O Jehovah, and be gracious unto me; Jehovah, be my helper.
10Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11Thou hast turned for me my mourning into dancing; thou hast loosed my sackcloth, and girded me with gladness;
11Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
12That [my] glory may sing psalms of thee, and not be silent. Jehovah my God, I will praise thee for ever.
12Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]