Darby's Translation

Malagasy

Psalms

6

1{To the chief Musician. On stringed instruments, upon Sheminith. A Psalm of David.} Jehovah, rebuke me not in thine anger, and chasten me not in thy hot displeasure.
1[Fivavaky ny olona anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2Be gracious unto me, Jehovah, for I am withered; Jehovah, heal me, for my bones tremble.
2Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
3And my soul trembleth exceedingly: and thou, Jehovah, till how long?
3Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
4Return, Jehovah, free my soul; save me for thy loving-kindness' sake.
4Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
5For in death there is no remembrance of thee; in Sheol who shall give thanks unto thee?
5Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?[Heb. Sheola]
6I am wearied with my groaning; all the night make I my bed to swim; I dissolve my couch with my tears.
6Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.
7Mine eye wasteth away through grief; it hath grown old because of all mine oppressors.
7Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
8Depart from me, all ye workers of iniquity; for Jehovah hath heard the voice of my weeping.
8Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
9Jehovah hath heard my supplication; Jehovah receiveth my prayer.
9Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
10All mine enemies shall be ashamed and tremble exceedingly; they will turn, they will be ashamed suddenly.
10Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.