1Jehovah reigneth: let the earth be glad, let the many isles rejoice.
1[Ny fisehoan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon'Andriamanitra kosa] Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
2Clouds and darkness are round about him; righteousness and judgment are the foundation of his throne.
2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.
3A fire goeth before him, and burneth up his adversaries round about.
3Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
4His lightnings lightened the world: the earth saw, and trembled.
4Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
5The mountains melted like wax at the presence of Jehovah, at the presence of the Lord of the whole earth.
5Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
6The heavens declare his righteousness, and all the peoples see his glory.
6Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
7Ashamed be all they that serve graven images, that boast themselves of idols. Worship him, all ye gods.
7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
8Zion heard, and rejoiced; and the daughters of Judah were glad, because of thy judgments, O Jehovah.
8Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
9For thou, Jehovah, art the Most High above all the earth; thou art exalted exceedingly above all gods.
9Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao.
10Ye that love Jehovah, hate evil: he preserveth the souls of his saints, he delivereth them out of the hand of the wicked.
10Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
11Light is sown for the righteous, and joy for the upright in heart.
11Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]
12Rejoice in Jehovah, ye righteous; and give thanks in remembrance of his holiness.
12Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]