Darby's Translation

Malagasy

Psalms

96

1Sing ye unto Jehovah a new song: sing unto Jehovah, all the earth.
1[Hira fifaliana noho ny hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra.
2Sing unto Jehovah, bless his name; publish his salvation from day to day.
2Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
3Declare his glory among the nations, his wondrous works among all the peoples.
3Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
4For Jehovah is great and exceedingly to be praised; he is terrible above all gods.
4Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.
5For all the gods of the peoples are idols; but Jehovah made the heavens.
5Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
6Majesty and splendour are before him; strength and beauty are in his sanctuary.
6Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.
7Give unto Jehovah, ye families of peoples, give unto Jehovah glory and strength;
7Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
8Give unto Jehovah the glory of his name; bring an oblation and come into his courts;
8Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
9Worship Jehovah in holy splendour; tremble before him, all the earth.
9Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
10Say among the nations, Jehovah reigneth! yea, the world is established, it shall not be moved; he will execute judgment upon the peoples with equity.
10Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.
11Let the heavens rejoice, and let the earth be glad; let the sea roar, and the fulness thereof;
11Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
12Let the field exult and all that is therein. Then shall all the trees of the forest sing for joy,
12Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'alaEo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.
13Before Jehovah, for he cometh; for he cometh to judge the earth: he will judge the world with righteousness, and the peoples in his faithfulness.
13Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.