1Come, let us sing aloud to Jehovah, let us shout for joy to the rock of our salvation;
1[Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
2Let us come before his face with thanksgiving; let us shout aloud unto him with psalms.
2Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
3For Jehovah is a great ùGod, and a great king above all gods.
3Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
4In his hand are the deep places of the earth; the heights of the mountains are his also:
4Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
5The sea is his, and he made it, and his hands formed the dry [land].
5Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
6Come, let us worship and bow down; let us kneel before Jehovah our Maker.
6Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika;
7For he is our God; and we are the people of his pasture and the sheep of his hand. To-day if ye hear his voice,
7Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
8Harden not your heart, as at Meribah, as [in] the day of Massah, in the wilderness;
8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza]
9When your fathers tempted me, proved me, and saw my work.
9Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
10Forty years was I grieved with the generation, and said, It is a people that do err in their heart, and they have not known my ways;
10Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
11So that I swore in mine anger, that they should not enter into my rest.
11Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.