Estonian

Malagasy

Daniel

1

1Juuda kuninga Joojakimi kolmandal valitsemisaastal tuli Paabeli kuningas Nebukadnetsar Jeruusalemma alla ja piiras seda.
1[Ny amin'i Daniela sy ny namany telo lahy] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, no nankanesan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2Ja Issand andis tema kätte Juuda kuninga Joojakimi ja osa Jumala koja riistu, ja ta viis need Sinearimaale oma jumalakotta; ta viis riistad oma jumala varakambrisse.
2Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
3Ja kuningas käskis Aspenast, ülemteenrit, et ta tooks Iisraeli lastest, niihästi kuninglikust soost kui suursuguste hulgast,
3Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,
4noori mehi, kellel ei oleks ühtegi kehalist viga ja kes oleksid ilusa välimusega, kes oleksid taibukad kõigis teadustes, targad ja arusaajad, ja kes oleksid kõlblikud teenima kuningakojas; ja neile pidi ta õpetama kaldea kirja ning keelt.
4dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
5Ja kuningas määras neile igapäevase osa kuninglikust roast ja veinist, mida ta ise jõi; ja nõnda pidi neid kasvatatama kolm aastat, et nad selle järel võiksid astuda kuninga teenistusse.
5Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an'ireo isan'andro avy tamin'ny haniny sy avy tamin'ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka izy.
6Ja nende seas olid Juuda lastest Taaniel, Hananja, Miisael ja Asarja.
6Ary tamin'ireo dia nisy avy amin'ny taranak'i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7Ja ülemteener pani neile nimed: ta nimetas Taanieli Beltsassariks, Hananja Sadrakiks, Miisaeli Meesakiks ja Asarja Abednegoks.
7Ary izy ireo nomen'ny lehiben'ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
8Aga Taaniel otsustas oma südames ennast mitte rüvetada kuninga roaga ja tema joodava veiniga, ja ta taotles ülemteenrilt, et tal poleks vaja ennast rüvetada.
8Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
9Ja Jumal laskis Taanielil leida heldust ja armu ülemteenri ees.
9Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.
10Aga ülemteener ütles Taanielile: 'Ma kardan, et kui mu isand kuningas, kes on määranud teie roa ja joogi, näeb teie palged olevat viletsama välimusega kui teistel teieealistel noortel meestel, viib see mu pea hädaohtu kuninga ees.'
10Ary hoy ilay lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin'ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11Siis ütles Taaniel ülevaatajale, kelle ülemteener oli määranud Taanielile, Hananjale, Miisaelile ja Asarjale:
11Dia hoy Daniela tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12'Tee ometi oma sulastega kümme päeva katset, et meile antakse süüa taimetoitu ja juua vett!
12Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
13Siis võrreldagu sinu juuresolekul meie välimust ja nende noorte meeste välimust, kes söövad kuninglikku rooga, ja selle järel talita oma sulastega, nagu sa heaks arvad!'
13Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao.
14Ja ta kuulas neid selles asjas ning katsetas nendega kümme päeva.
14Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15Aga kümne päeva pärast näis nende välimus ilusam ja ihu priskem kui ühelgi neist noortest meestest, kes sõid kuninglikku rooga.
15Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.
16Siis ülevaataja võttis nende roa ja nende joodava veini ära ja andis neile taimetoitu.
16Dia najanon'ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
17Ja Jumal andis neile neljale noorele mehele igasuguses kirjas ja teaduses tarkust ja taipu, Taaniel mõistis aga igasuguseid nägemusi ja unenägusid.
17Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra.
18Ja kui need aastad olid möödunud, mille järel kuningas oli käskinud nad enese ette tuua, viis ülemteener nad Nebukadnetsari ette.
18Ary nony tonga ny andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy.
19Ja kuningas rääkis nendega, ja nende kõigi hulgast ei leidunud Taanieli, Hananja, Miisaeli ja Asarja sarnast, nõnda tulid nad kuninga teenistusse.
19Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
20Ja kõigis teaduse ja tarkuse asjus, milles kuningas neid küsitles, leidis ta nad olevat kümme korda üle kõigist ennustajaist ja nõidadest, kes olid kogu ta kuningriigis.
20Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.
21Ja Taaniel jäi sinna kuningas Koorese esimese aastani.
21Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.