Estonian

Malagasy

Ezekiel

48

1Ja need on suguharude nimed: põhjapoolsest otsast, piki Hetloni teed Hamati teelahkmeni, Haasar-Eenonini - Damaskuse maa-ala jääb põhja poole, Hamati kõrvale - Daanile üks osa; see saab temale idakaarest läände.
1Ary izao no anaran'ny firenena: Hatramin'ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin'ny lalana mankany Hetlona any akaikin'i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy eo avaratra, any anilan'i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an'i Dana.
2Ja Daani maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Aaserile üks osa.
2Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Asera.
3Ja Aaseri maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Naftalile üks osa.
3Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Naftaly.
4Ja Naftali maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Manassele üks osa.
4Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Manase,
5Ja Manasse maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Efraimile üks osa.
5Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Efraima.
6Ja Efraimi maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Ruubenile üks osa.
6Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
7Ja Ruubeni maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Juudale üks osa.
7Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Joda.
8Ja Juuda maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole, olgu annetusmaa, mis te peate andma - kakskümmend viis tuhat laiuti ja nõnda pikk nagu üks osadest idakaare poolt läänekaare poole; ja pühamu olgu selle keskel!
8Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
9Annetusmaa, mille te peate andma Issandale, olgu kakskümmend viis tuhat pikuti ja kümme tuhat laiuti!
9Ny tany izay hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
10Ja see püha annetusmaa kuulugu neile: preestritele - põhja pool kakskümmend viis tuhat, lääne pool kümme tuhat laiuti, ida pool kümme tuhat laiuti ja lõuna pool kakskümmend viis tuhat pikuti; ja Issanda pühamu olgu selle keskel!
10Ary ho an'ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin'i Jehovah no ho eo afovoany.
11Preestritele, kes on pühitsetud Saadoki poegade seast, kes on toimetanud minu teenistust, kes ei ole eksinud, nagu leviidid eksisid, siis kui Iisraeli lapsed eksisid,
11Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita,
12neile kuulub annetusmaast eriline annetus kui kõige püham leviitide maa-ala kõrval.
12eny, ho azy izany ho tany halaina amin'ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin'ny faritanin'ny Levita.
13Leviidid saagu niisama suur maa-ala nagu preestrid: kakskümmend viis tuhat pikuti ja kümme tuhat laiuti; kogu pikkus olgu kakskümmend viis tuhat ja laius kümme tuhat!
13Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin'ny fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.
14Nemad aga ei tohi sellest midagi müüa ega vahetada, et parim osa maast ei läheks võõrastesse kätesse, sest see on Issandale pühitsetud maa.
14Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany; fa masina ho an'i Jehovah izany.
15Ja viis tuhat laiuti, mis üle jääb kahekümne viie tuhande kõrval, on pühitsemata maa-ala linnale elamute ja karjamaa jaoks; ja linn olgu selle keskel!
15Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.
16Ja need on selle mõõdud: põhjakaar neli tuhat viissada, lõunakaar neli tuhat viissada, idakaar neli tuhat viissada ja läänekaar neli tuhat viissada.
16Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
17Ja linnal olgu karjamaa: põhja poole kakssada viiskümmend, lõuna poole kakssada viiskümmend, ida poole kakssada viiskümmend ja lääne poole kakssada viiskümmend!
17Ary ny amin'ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
18Ja mis püha annetusmaa kõrvalt pikuti üle jääb, kümme tuhat ida pool ja kümme tuhat lääne pool, olgu püha annetusmaa kõrval ja selle saak saagu leivaks linna töötajaile,
18Ary ny lavany sisa mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanàna.
19ja linna töötajad kõigist Iisraeli suguharudest peavad seal töötama!
19Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin'ny firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy.
20Kogu annetusmaa olgu kakskümmend viis tuhat korda kakskümmend viis tuhat; teie antav püha annetusmaa koos linna maaomandiga olgu nelinurkne!
20Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
21Ja mis üle jääb, kuulub vürstile: siin- ja sealpool püha annetusmaad ja linna maaomandit, piki seda kahtkümmend viit tuhandet - ida pool - kuni ida piirini, ja lääne pool - piki kahtkümmend viit tuhandet - kuni lääne piirini, vastavalt jaotatud maaosadele, kuulub vürstile; ja püha annetusmaa ja tempel-pühamu olgu selle keskel!
21Ary ho an'ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana masina no ho eo aforoany.
22Leviitide maaomand ja linna maaomand olgu selle keskel, mis kuulub vürstile; see, mis kuulub vürstile, olgu Juuda maa-ala ja Benjamini maa-ala vahel!
22Ary hatramin'ny zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan'ny an'ny mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka izany.
23Ja ülejäänud suguharudele: idakaare poolt läänekaare poole: Benjaminile üks osa.
23Ary ny amin'ny firenena sisa, dia hatramin'ny lafiny atsinanana ka hatramin'ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an'i Benjamina.
24Ja Benjamini maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Siimeonile üks osa.
24Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Simeona.
25Ja Siimeoni maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Issaskarile üks osa.
25Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'Isakara.
26Ja Issaskari maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Sebulonile üks osa.
26Ary mifanolotra amin'ny faritanin'Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Zebolona.
27Ja Sebuloni maa-ala kõrval, idakaare poolt läänekaare poole: Gaadile üks osa.
27Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Gada.
28Ja Gaadi maa-ala kõrval, lõunakaare pool lõuna suunas läheb piir Taamarist Kaadesi Riiuvee kaudu kuni jõeni suure mere ääres.
28Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Gada, amin'ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe.
29See on maa, mida te peate liisu läbi jaotama pärisosaks Iisraeli suguharudele, ja need on nende maaosad, ütleb Issand Jumal.
29Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana ho an'ny firenen'Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
30Ja need on linna väljapääsud: põhjakaare pool, mõõtmes neli tuhat viissada -
30Ary izao no ohatry ny tanàna amin'ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
31ja linna väravail on Iisraeli suguharude nimed - on kolm väravat põhja poole: üks Ruubeni värav, üks Juuda värav, üks Leevi värav.
31Ary ny anaran'ny vavahady dia ho toy ny anaran'ny firenen'Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin'i Robena ny iray vavahadin'i Joda ny iray, vavahadin'i Levy ny iray.
32Ja idakaare pool: neli tuhat viissada, ja kolm väravat: üks Joosepi värav, üks Benjamini värav, üks Daani värav.
32Ary amin'ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Josefa ny iray, vavahadin'i Benjamina ny iray, ary vavahadin'i Dana ny iray.
33Ja lõunakaare pool: mõõtmes neli tuhat viissada, ja kolm väravat: üks Siimeoni värav, üks Issaskari värav, üks Sebuloni värav.
33Ary amin'ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Simeona ny iray, vavahadin'Isakara ny iray, vavahadin'i Zebolona ny iray.
34Ja läänekaare pool: neli tuhat viissada, ja kolm väravat: üks Gaadi värav, üks Aaseri värav, üks Naftali värav.
34Ary amin'ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin'i Gada ny iray, vavahadin'i Asera ny iray, vavahadin'i Naftaly ny iray.Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.
35Ümberringi: kaheksateist tuhat. Ja sellest päevast alates on linna nimeks 'Issand on seal'.'
35Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.