Estonian

Malagasy

Ezekiel

47

1Siis ta viis mu tagasi templi ukse juurde. Ja vaata, vesi voolas templi läve alt välja ida poole, sest templi esikülg oli ida pool; ja vesi voolas alla templi parempoolse külgseina alt, lõuna poolt altarit.
1[Ny amin'ny onin'ny ranon'aina] Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.
2Siis ta viis mu välja põhjavärava kaudu ja laskis mind minna väljastpoolt ringi välimise väravani, mis oli ida pool; ja vaata, vesi vulises parempoolsest külgseinast.
2Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana.
3Kui mees läks välja ida suunas, siis oli tal mõõdunöör käes ja ta mõõtis tuhat küünart ning laskis mind veest läbi minna: vett oli pahkluudeni.
3Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
4Ja ta mõõtis taas tuhat ning laskis mind veest läbi minna: vett oli põlvini. Ja ta mõõtis taas tuhat ning laskis mind läbi minna: vett oli niueteni.
4Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
5Ja ta mõõtis taas tuhat: siis oli jõgi, millest ma ei saanud läbi minna, sest vesi oli kõrge; vesi oli paras ujumiseks, jõgi, millest ei saadud läbi minna.
5Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
6Siis ta küsis minult: 'Inimesepoeg, kas oled seda näinud?' Ja ta saatis mind ning tõi mu tagasi mööda jõe kallast.
6Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy.
7Aga kui ma tulin tagasi, vaata, siis oli jõe kaldal väga palju puid, nii siin- kui sealpool.
7Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa.
8Ja ta ütles mulle: 'Need veed voolavad idapoolsetele aladele, jooksevad alla lagendikule ja jõuavad merre; nende merre jõudes paraneb seal vesi.
8Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.[Heb. Arabà]
9Ja kõik elavad hinged, kes liiguvad seal, kuhu need jõed iganes tulevad, virguvad ellu ja seal on väga palju kalu; sest kui need veed jõuavad sinna ja vesi paraneb, siis virguvad kõik ellu seal, kuhu see jõgi tuleb.
9Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.[Heb. ony roa]
10Ja kalamehed seisavad selle ääres: Een-Gedist kuni Een-Eglaimini on see võrkude kuivatuspaigaks; seal on igasugu kalu, nagu suure mere kalu, väga palju.
10Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.
11Selle soised kohad ja mülkad aga ei parane: need jäävad soolaseks.
11Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
12Ja jõe ääres, selle kaldal siin- ja sealpool kasvab kõiksugu viljapuid; nende lehed ei närtsi ja nende vili ei lõpe: nad kannavad igas kuus uudsevilja, sest vesi nende jaoks voolab pühamust; nende vili on toiduks ja nende lehed terviseks.'
12Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
13Nõnda ütleb Issand Jumal: 'Need on maa piirid, milles te peate jaotama maa pärisosadeks Iisraeli kaheteistkümnele suguharule: Joosepile kaks osa.
13[Ny ho faritry ny Tany Masina, sy ny hizarana azy, ary ny ho toetry ny Tanànan'Andriamanitra] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
14Te saate selle pärisosaks, niihästi üks kui teine, sest ma olen oma käe üles tõstnud vandudes, et ma annan selle teie vanemaile; ja nii saab see maa teile pärisosaks.
14Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
15Ja see on maa piir põhjakaares: suurest merest Hetloni suunas Sedadi teelahkmeni,
15Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,
16Hamat, Beerota, Sibrajim, mis on Damaskuse maa-ala ja Hamati maa-ala vahel, Haasar-Hattikon, mis on Haurani piiril:
16dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.
17see on piir merest Haasar-Eenonini; Damaskuse maa-ala on põhja pool, veel põhja pool on Hamati maa-ala; see on põhjakaar.
17Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18Ja idakaares: Haurani ja Damaskuse vahelt ja Gileadi ja Iisraeli maa vahelt piki Jordanit on piir kuni Idamereni, Taamarini; see on idakaar.
18Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
19Ja lõunakaares, lõuna suunas: Taamarist Meriba veeni, mis on Kaadesis, kuni jõeni suure mere ääres; see on lõunakaar.
19Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
20Ja läänekaares on piiriks suur meri kuni vastu Hamati teelahet; see on läänekaar.
20Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
21Jaotage see maa eneste vahel Iisraeli suguharude järgi!
21Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely.
22Jaotage see liisu läbi pärisosadeks enestele ja võõrastele, kes asuvad teie keskel ja kes on teie keskel lapsi sünnitanud; nad olgu teile nagu pärismaised Iisraeli laste hulgas: nad saagu koos teiega liisu läbi pärisosa Iisraeli suguharude seas!
22Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.
23Selles suguharus, kelle juures võõras asub, peate temale andma ta pärisosa, ütleb Issand Jumal.
23Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.