1Ja ma nägin taas kõiki rõhumisi, mida pandi toime päikese all, ja vaata, seal olid rõhutute pisarad, aga neil ei olnud trööstijat! Nende rõhujate käes oli võim, aga neil ei olnud trööstijat.
1[Ny manjo ny olona noho ny fampahorian'ny sasany azy, sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny ataon'ny mpitondra azy] Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
2Siis ma kiitsin surnuid, kes olid ammu surnud, õnnelikumaks kui elavaid, kes veel tänini elavad,
2Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3ja et parem kui neil kummalgi on sellel, keda veel ei ole olemas, kes veel ei ole näinud seda kurja tööd, mida päikese all tehakse.
3nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.
4Ja ma nägin, et kõik vaev ja kõik saavutused töös tekitavad inimeses ainult kadedust ligimese vastu. Seegi on tühi töö ja vaimunärimine!
4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
5Alp paneb käed risti ja sööb omaenese ihu.
5Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
6Parem üks peotäis rahuga kui kaks peotäit vaeva ja vaimunärimisega.
6Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.[Na: Tsara ny fiadanana eran-tànan'ila noho ny fisasarana,][Na: Homan-drivotra]
7Ja taas nägin ma tühja tööd päikese all:
7Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:
8seal on keegi üksik, tal ei ole kedagi, ei poega ega venda, kuid ometi pole otsa kogu ta vaeval ja ta silmad ei saa rikkusest küllalt. Aga kelle pärast ma siis ennast vaevan ja keelan oma hingele head nautimast? Seegi on tühi ja õnnetu töö!
8Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9Parem on olla kahekesi kui üksi, sest neil on oma vaevast hea palk:
9Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10kui nad langevad, siis tõstab teine oma kaaslase üles. Aga häda sellele, kes üksik on, kui ta langeb, ega ole teist, kes ta üles tõstaks!
10Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11Nõndasamuti: kui kaks magavad üheskoos, siis on neil soe; aga kuidas üksik sooja saab?
11Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12Ja kui ka üksikust jagu saadakse, siis kaks panevad ometi vastu; ja kolmekordset lõnga ei kista katki nii kergesti.
12Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
13Parem on vaene, aga tark nooruk kui vana ja alp kuningas, kes enam ei taipa hoiatust tähele panna.
13Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
14Sest too tuli vangikojast valitsema, kuigi oli sündinud vaesena tema kuningriigis.
14fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy. [na: fa na dia nateraka tamin'ny fanjakany aza izy, dia tamin'alahelo ihany]
15Ma nägin kõiki elavaid, kes liiguvad päikese all, olevat tolle teise, nooruki poolt, kes pidi astuma tema asemele.
15Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
16Ei olnud lõppu kogu sellel rahval, neil kõigil, kelle eesotsas ta oli; ometi ei tunne järeltulijad temast rõõmu. Sest seegi on tühi töö ja vaimunärimine.
16Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra][Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.
17Hoia oma jalga, kui sa lähed Jumala kotta! Kuulamaminek on parem kui alpide ohvriand, sest need ei tea, et nad teevad kurja.
17[Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.