Estonian

Malagasy

Ecclesiastes

3

1Igale asjale on määratud aeg, ja aeg on igal tegevusel taeva all:
1[Ny filaharan'ny zavatra samy amin'ny fotoany avy, sy ny mbola hitsaran'Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary ny anton'ny nanaovana ny olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra:
2aeg sündida ja aeg surra, aeg istutada ja aeg istutatut kitkuda;
2Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
3aeg tappa ja aeg terveks teha, aeg maha kiskuda ja aeg üles ehitada;
3Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
4aeg nutta ja aeg naerda, aeg leinata ja aeg tantsida;
4Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
5aeg kive pilduda ja aeg kive koguda, aeg kaelustada ja aeg kaelustamisest hoiduda;
5Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
6aeg otsida ja aeg kaotada, aeg hoida ja aeg ära visata;
6Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
7aeg rebida ja aeg õmmelda, aeg vaikida ja aeg rääkida;
7Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
8aeg armastada ja aeg vihata, aeg sõjal ja aeg rahul.
8Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
9Mis kasu on töötegijal sellest, mille kallal ta vaeva näeb?
9Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?
10Ma olen näinud tööd, mida Jumal on andnud inimlastele, et nad sellega endid vaevaksid.
10Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.
11Kõik on ta omal ajal hästi teinud; ta on nende südamesse pannud ka igaviku, ometi ilma et inimene mõistaks Jumala tehtud tööd algusest lõpuni.
11Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.[na: izao tontolo izao]
12Ma mõistsin, et neil pole midagi paremat kui rõõmus olla ja elu nautida.
12Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa]
13On ju seegi Jumala and igale inimesele, et ta võib süüa ja juua ning nautida head, hoolimata kogu oma vaevast.
13Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
14Ma mõistsin, et kõik, mis Jumal teeb, on igavene; midagi ei ole sellele lisada ega sellest ära võtta. Ja Jumal on seda teinud nõnda, et teda tuleb karta.
14Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
15Mis on, see on juba olnud, ja mis tuleb, seegi on juba olnud. Jumal otsib möödunu taas välja.
15Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa. [Heb. voaroaka]
16Ja veel nägin ma päikese all kohtupaika, kus oli ülekohus, ja õiglusepaika, kus oli üleastumine.
16Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
17Ma mõtlesin südames: Jumal mõistab kohut õigele ja õelale, sest igal asjal ja igal teol on oma aeg.
17Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
18Ma mõtlesin südames: See on inimlaste huvides, et Jumal neid läbi katsub ja et nad näevad, et nad on iseenesest vaid loomad.
18Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra]
19Sest mis sünnib inimlastega, see sünnib loomadega - neile kõigile sünnib sama: nagu sureb üks, nõnda sureb teine, ja neil kõigil on ühesugune hing; ja inimesel ei ole paremust looma ees, sest kõik on tühine.
19Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa izay manjo ny zanak'olombelona dia manjo ny biby koa]
20Kõik lähevad ühte paika, kõik on põrmust ja kõik saavad jälle põrmuks.
20Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray izy rehetra.[Na: hody]
21Kes teabki, kas inimlaste hing tõuseb ülespoole või kas loomade hing vajub maa alla?
21Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
22Ja nõnda ma nägin, et ei ole midagi paremat, kui et inimene on oma töö juures rõõmus, kuna see on tema osa. Sest kes toob teda nägema seda, mis on pärast teda?
22Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?