1Ma mõtlesin südames: Olgu, ma teen katset rõõmuga ja naudin seda, mis on hea. Aga vaata, seegi oli tühi töö!
1[Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
2Ma ütlesin naerule: 'Hull!' ja rõõmule: 'Mis sellest kasu on?'
2Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
3Ma võtsin südames nõuks virgutada oma ihu veiniga - ometi nõnda, et mu süda mind targu juhiks - ja haarata kinni rumalusest, kuni ma näen, mis inimlastel on kasulik teha oma üürikesil elupäevil taeva all.
3Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
4Ma tegin suuri tegusid: ma ehitasin enesele kodasid, istutasin enesele viinamägesid;
4Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
5ma tegin enesele rohu- ja iluaedu ning istutasin neisse kõiksugu viljapuid.
5nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
6Ma tegin enesele veetiike kasvavate metsapuude kastmiseks.
6nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
7Ma ostsin sulaseid ja teenijaid, ja mul oli oma peres sündinuid; samuti oli mul veiste, lammaste ja kitsede kari, suurem kui kõigil neil, kes enne mind olid Jeruusalemmas olnud.
7nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8Ma kogusin enesele ka hõbedat ja kulda ning kuningate ja maade varandusi; ma hankisin enesele lauljaid ja lauljannasid, samuti, mis inimlastele on naudinguks: palju naisi.
8Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be dia be]
9Ma sain suureks ja ületasin kõik, kes enne mind olid Jeruusalemmas olnud; mulle jäi ka mu tarkus.
9Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
10Ja mida mu silmad iganes himustasid, seda ma ei keelanud neile; ma ei hoidnud oma südant tagasi ühestki rõõmust, sest mu süda tundis rõõmu kogu mu vaevast, ja see oli mu tasu kogu mu vaeva eest.
10Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.
11Aga kui ma vaatasin kõiki oma tegusid, mis mu käed olid teinud, ja vaeva, mida ma neid tehes olin näinud, vaata, siis oli see kõik tühi töö ja vaimunärimine. Millestki pole kasu päikese all.
11Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]
12Kui ma pöördusin vaatama tarkust ning meeletust ja sõgedust - sest mida muud teeb see inimene, kes tuleb pärast kuningat, kui sedasama, mida ikka on tehtud -,
12[Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
13siis ma nägin, et tarkus on kasulikum kui meeletus, nõnda nagu valgus on pimedusest kasulikum.
13Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran'ny mazava noho ny maizina.[Heb. mihoatra][Heb. fihoaran']
14Targal on silmad peas, aga alp käib pimeduses. Aga ma mõistsin ka, et see, mis juhtub ühele, juhtub neile kõigile.
14Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
15Siis ma mõtlesin südames: See, mis juhtub albile, juhtub ka minule. Aga milleks siis mina olen saanud targemaks kui teised? Ja ma mõtlesin südames, et ka see on tühi töö.
15Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
16Sest niihästi targast kui albist ei jää igavest mälestust, kuna tulevasil päevil on kõik juba ammu unustatud. Jah, eks sure tark nagu alpki.
16Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
17Siis ma vihkasin elu, sest see, mida päikese all tehakse, oli mu meelest halb. Sest see kõik on tühi töö ja vaimunärimine.
17Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]
18Ja ma vihkasin kogu oma vaeva, mida ma olin näinud päikese all, sellepärast et ma selle pean jätma inimesele, kes tuleb pärast mind.
18Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany,
19Ja kes teabki, on ta tark või alp, aga ta hakkab valitsema kõige üle, milleks mina olen vaeva näinud ja tarkust tarvitanud päikese all. Seegi on tühi töö!
19ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
20Siis ma mõtlesin ümber ja olin südames meeleheitel kogu selle vaeva pärast, mida ma olin näinud päikese all,
20Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.
21sest inimene näeb vaeva tarkuse ja teadmiste ning tubliduse abil, kuid peab ometi kõik jätma osaks inimesele, kes selle kallal ei ole vaeva näinud. Seegi on tühi töö ja väga paha!
21Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
22Sest mis on inimesel kogu oma vaevast ja püüdeist, millega ta ennast vaevab päikese all?
22Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?
23On ju kõik ta päevad täis valu ja ta töö meelepahanduseks, ta süda ei maga isegi mitte öösel. Seegi on tühi töö!
23Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
24Ei ole inimesel midagi paremat kui süüa ja juua ja lasta hingel rahuldust tunda oma vaevas. Ma nägin, et seegi on Jumala käest.
24Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa]
25Sest kes võiks süüa ja kes võiks juua ilma temata?
25(fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
26Sest tema annab inimesele, kes temale meeldib, tarkust ja tunnetust ning rõõmu; aga patusele ta annab ülesandeks korjata ja koguda, et seda siis anda sellele, kes Jumalale meeldib. Seegi on tühi töö ja vaimunärimine.
26Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]