1Koguja, Taaveti poja, Jeruusalemma kuninga sõnad.
1[Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra rehetra] Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2'Tühisuste tühisus,' ütleb Koguja, 'tühisuste tühisus, kõik on tühine!'
2Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
3Mis kasu on inimesel kogu oma vaevast, millega ta ennast vaevab päikese all?
3Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?
4Rahvapõlv läheb ja rahvapõlv tuleb, aga maa püsib igavesti.
4Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5Ja päike tõuseb ja päike loojub ning läheb tagasi oma paika, kust ta jälle tõuseb.
5Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.
6Tuul puhub lõuna poole ja keerutab põhja poole; keereldes, keerutades puhub tuul ja alustab taas oma ringkäiku.
6Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
7Kõik jõed voolavad merre, aga meri ei saa täis; paika, kuhu jõed on voolanud, sinna voolavad need üha.
7Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.
8Kõigist asjust, mis väsitavad, ei suuda ükski rääkida: silm ei küllastu nägemast ja kõrv ei täitu kuulmast.
8Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.[Heb. Feno fahasasarana][Na: Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain'ny olona lazaina]
9Mis on olnud, see saab olema, ja mis on tehtud, seda tehakse veel - ei ole midagi uut päikese all.
9Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.
10Või on midagi, mille kohta võiks öelda: Vaata, see on uus? Kindlasti oli see olemas juba muistsetel aegadel, mis on olnud enne meid.
10Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.
11Ei ole vaid mälestust endisist asjust ja nõnda ei ole ka mälestust tulevasist asjust neil, kes saavad olema veelgi hiljem.
11Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
12Mina, Koguja, olin Iisraeli kuningas Jeruusalemmas.
12[Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin'ny fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;
13Ma pühendasin oma südame teadlikult otsima ja uurima kõike, mis taeva all sünnib: see on õnnetu ülesanne, mille Jumal on andnud inimlastele nende vaevamiseks.
13ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.
14Ma nägin igasugu tegusid, mis päikese all tehakse, ja vaata, see kõik on tühi töö ja vaimunärimine.
14Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]
15Kõverat ei saa teha sirgeks ega loendada seda, mida pole.
15Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy tambo isaina]
16Ma mõtlesin oma südames ja ütlesin: Mina, vaata, olen hankinud suure tarkuse ja olen ületanud kõik need, kes enne mind on valitsenud Jeruusalemma üle, ja mu süda on näinud palju tarkust ja teadmisi.
16Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
17Ja ma pühendasin oma südame tarkuse mõistmisele, ka meeletuse ja sõgeduse mõistmisele: ma mõistsin, et ka see oli vaimunärimine.
17Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
18Sest kus on palju tarkust, seal on palju meelehärmi, ja kes lisab teadmisi, see lisab valu.
18satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.