1Ja Issand ütles mulle: 'Võta enesele suur tahvel ja kirjuta selle peale tavalise krihvliga: Maher-Saalal, Haas-Bas!
1[Ny amin'ny hahaterahan'ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon'ny tena Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an'i Mahera-salala-hasi-baza." [Na: amin'][Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
2Ja ma võtan endale usaldusväärsed tunnistajad, preester Uurija ja Jeberekja poja Sakarja.'
2Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia.
3Siis ma läksin prohveti naise juurde, ja tema jäi lapseootele ning tõi poja ilmale. Ja Issand ütles mulle: 'Pane temale nimeks Maher-Saalal, Haas-Bas!
3Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
4Sest enne kui poiss oskab hüüda isa ja ema, viiakse Damaskuse varandus ja Samaaria saak Assuri kuninga ette.'
4Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
5Ja Issand rääkis minuga veelgi, öeldes:
5Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
6'Sellepärast et see rahvas põlgab Siiloahi hiljukesi voolavaid vesi ning pelgab Retsinit ja Remalja poega,
6Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia,
7vaata, sellepärast lasebki Issand tulla nende peale Frati jõe võimsad ja suured veed - Assuri kuninga ja kogu ta hiilguse -, mis tõuseb välja kõigist lammidest ja voolab üle kõigist kallastest,
7Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]
8tungib Juudasse, tulvab ja ujutab üle, kuni see ulatub kaelani. Ja tema tiibade sirutus täidab su maa kogu selle laiuses, Immaanuel.'
8Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]
9Möllake, rahvad, ja värisege, ja kuulge, kõik kauged maad: Varustuge sõjaks ja värisege! Varustuge sõjaks ja värisege!
9Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
10Pidage nõu, aga see läheb tühja, kõnelge sõna, aga see ei täitu, sest Jumal on meiega!
10Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]
11Sest nõnda rääkis minuga Issand, kui ta käsi haaras mind ja hoiatas mind käimast selle rahva teed, öeldes:
11Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho:
12'Ärge nimetage vandenõuks kõike, mida see rahvas nimetab vandenõuks, ärge kartke, mida tema kardab, ja ärge tundke hirmu!
12Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
13Pidage pühaks vägede Issandat, tema olgu teie kartus ja tema olgu teie hirm!
13Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
14Tema on pühamuks, aga ka komistuskiviks ja pahanduskaljuks mõlemale Iisraeli kojale, lõksuks ja püüdepaelaks Jeruusalemma elanikele.
14Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.
15Paljud neist komistavad, kukuvad ja vigastavad endid, püütakse kinni ja võetakse vangi.
15Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16Seo kinni tunnistus, sulge pitseriga õpetus mu õpilastes!'
16Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.
17Mina aga ootan Issandat, kes peidab oma palge Jaakobi soo eest, ja loodan tema peale.
17Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
18Vaata, mina ja lapsed, keda Issand mulle on andnud, oleme tunnustähtedeks ja endemärkideks Iisraelis vägede Issandalt, kes elab Siioni mäel.
18Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19Ja kui teile öeldakse: Küsitlege surnute vaime ja ennustajaid, kes sosistavad ja pomisevad, siis vastake: Kas rahvas ei peaks küsitlema oma Jumalat? Kas tuleb elavate pärast küsitleda surnuid?
19Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
20Õpetuse ja tunnistuse juurde! Kui nõnda ei kõnelda, siis ei ole koitu.
20Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]
21Seal nad siis uitavad, vaevatud ja näljased. Aga nälga tundes nad vihastavad ja neavad oma kuningat ja Jumalat. Ja kui nad tõstavad pilgu üles
21Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;[Na: hanozona amin'ny anaran'][Na: ny andriamaniny]
22või vaatavad maha, siis - näe, on kitsikus ja pimedus, ahistuse süngus. Ollakse tõugatud pilkasesse pimedusse.
22Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
23Aga ei jää pimedusse maa, kus on ahastus. Otsekui Jumal endisel ajal põlgas Sebulonimaad ja Naftalimaad, nõnda austab ta tulevikus mereäärset teed, Jordani-tagust maad, paganate Galilead.
23Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.