1Rahvas, kes käib pimeduses, näeb suurt valgust; kes elavad surmavarju maal, neile paistab valgus.
1Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.
2Sina teed rohkeks rahva, ja valmistad talle suure rõõmu: nad rõõmustavad sinu ees otsekui lõikusajal ollakse rõõmsad, otsekui saaki jagades hõisatakse.
2Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.
3Sest tema koorma ikke ja tema õla kepi, tema sundija vitsa sa murrad nagu Midjani päevil.
3Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana.
4Sest iga sõjakäras sõtkutud saabas ja veres vettinud vammus põletatakse tuleroaks.
4Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany.
5Sest meile sünnib laps, meile antakse poeg, kelle õlgadel on valitsus ja kellele pannakse nimeks Imeline Nõuandja, Vägev Jumal, Igavene Isa, Rahuvürst.
5Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
6Suur on valitsus ja otsatu on rahu Taaveti aujärjel ja tema kuningriigi üle, et seda kinnitada ja toetada kohtu ja õigusega, sellest ajast ja igavesti. Vägede Issanda püha viha teeb seda.
6Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
7Issand läkitab sõna Jaakobisse ja see langeb Iisraeli peale.
7[Ny amin'ny aninjiran'i Jehovah ny tànany hampijaly ny olona noho ny ratsy nataony] Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany.
8Seda saab tunda kogu rahvas, Efraim ja Samaaria elanikud, kes ütlevad upsakusest ja südame ülbusest:
8Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe:
9'Telliskivid on varisenud, aga meie ehitame tahutud kividest; metsviigipuud on maha raiutud, aga me paneme seedrid asemele.'
9Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
10Ent Issand teeb tugevaks Retsini, ta vastase, ja kihutab üles ta vaenlased:
10Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
11süürlased idast ja vilistid läänest, ja need söövad Iisraeli täie suuga. Selle kõige juures ei ole ta viha veel ära pöördunud ja ta käsi on alles välja sirutatud.
11Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
12Sest rahvas ei ole pöördunud oma peksja poole ega ole nad otsinud vägede Issandat.
12Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny.
13Seepärast lõikab Issand Iisraelilt ühel päeval pea ja saba, võrse ja varre.
13Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro [palma]
14Vana ja austatu on pea, aga valet õpetav prohvet on saba.
14(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
15Selle rahva juhid on eksitajad ja nende poolt juhitavad on viidud segadusse.
15Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
16Seepärast ei tunne Issand rõõmu ta noortest meestest ega halasta vaeslaste ja lesknaiste peale; sest kõik on jumalavallatud ja kurjategijad ja iga suu räägib jõledust. Selle kõige juures ei ole ta viha veel ära pöördunud ja ta käsi on alles välja sirutatud.
16Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]
17Sest ülekohus põleb otsekui tuli, mis põletab kibuvitsu ja ohakaid ning süütab metsarägastikud kerkiva suitsuna haihtuma.
17Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
18Vägede Issanda raevust on maa kõrbenud ja rahvas on otsekui tuleroog: üks ei halasta teise peale.
18Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
19Ahmivad paremalt, aga on näljased, söövad vasakult, ometi ei saa kõht täis. Igaüks sööb oma käsivarre liha:
19Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
20Manasse Efraimi ja Efraim Manasset, mõlemad on üheskoos Juuda vastu. Selle kõige juures ei ole ta viha veel ära pöördunud ja ta käsi on alles välja sirutatud.
20Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.