Estonian

Malagasy

Joel

2

1Puhuge sarve Siionis, tõstke häält mu pühal mäel! Värisegu kõik maa elanikud, sest Issanda päev tuleb, see on ligidal,
1[Filazana ny loza hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
2pime ja must päev, pilvine ja sünge päev! Nõnda nagu koit laotub mägedele, tuleb suur ja vägev rahvas, kelle sarnast pole olnud igiaegadest alates ega tule ka enam pärast teda, tulevaste põlvede aastateni.
2Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.
3Tema ees käib hävitav tuli ja tema taga kõrvetav leek; tema ees on maa otsekui Eedeni aed, aga tema taga on tühi kõrb ja ei olegi pääsu tema eest.
3Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
4Neil on otse hobuste välimus ja nad jooksevad kui sõjaratsud.
4Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5Otsekui sõjavankrite mürinal kihutavad nad üle mäeharjade, mühinal, kõrsi põletava tuleleegi moel, vägeva rahva sarnaselt, kes on valmis tapluseks.
5Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6Nende ees värisevad rahvad, kahvatuvad kõik palged.
6Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika; [Na: tera-mena]
7Nad ruttavad nagu võitlejad, ronivad müüridele nagu sõdurid. Igaüks käib oma teed ega muuda oma rada.
7Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
8Üks ei tõuka teist, igaüks käib oma teed; nad sööstavad peatumata viskodade vahelt läbi.
8Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra. [Na: voasakana]
9Nad tormavad linna, jooksevad müürile, ronivad kodadesse, tungivad akendest sisse nagu varas.
9Mifamoivoy eran'ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin'ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10Nende ees väriseb maa, põrub taevas, päike ja kuu lähevad mustaks ja tähed kaotavad oma sära.
10Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.
11Ja Issand laseb oma häält kõlada oma sõjaväe ees, sest tema leer on väga suur. Tõesti, vägev on tema käsutäitja, sest Issanda päev on suur ja väga kardetav, kes suudaks seda taluda?
11Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
12Aga veel nüüdki ütleb Issand: Pöörduge minu poole kõigest südamest, paastudes, nuttes ja kurtes!
12Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
13Käristage lõhki oma süda, aga mitte oma riided, ja pöörduge Issanda, oma Jumala poole, sest tema on armuline ja halastaja, pika meelega ja rikas heldusest, ja tema kahetseb kurja!
13Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,
14Kes teab, vahest ta pöördub ja kahetseb ja jätab enese järele õnnistuse, nii et te saate tuua roaohvrit ja joogiohvrit Issandale, oma Jumalale?
14Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo. [Heb. Iza no mahalala na]
15Puhuge sarve Siionis, pühitsege paastupüha, kutsuge kokku pühalik koosolek!
15Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina.
16Koguge rahvas, pühitsege kogudust, tooge kokku vanemad, koguge lapsed ja imikud, peigmees tulgu välja oma toast ja pruut oma kambrist!
16Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
17Eeskoja ja altari vahel nutku preestrid, Issanda teenrid, ja öelgu: Säästa, Issand, oma rahvast, ja ära anna oma pärisosa teotuseks, paganaile pilgata! Miks peaks rahvaste seas öeldama: Kus on nüüd nende Jumal?'
17Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentinteny]
18Siis Issand hoolitseb oma maa eest ja tunneb oma rahvale kaasa.
18[Ny hitsaharan'ny loza, sy ny hihavian'ny fitahiana] Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.
19Ja Issand kostab ning ütleb oma rahvale: 'Vaata, ma läkitan teile vilja, veini ja õli, et teil on seda kõike küllalt. Ma ei anna teid enam teotuseks paganate sekka.
19Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.
20Ja selle põhja poolt tulija ajan ma teist kaugele, hajutan ta kuivale ja tühjale maale, ta eelväe Idamerre, ta järelväe Läänemerre; ja temast tõuseb hais, tõuseb roiskumise lehk, sellepärast et ta tahtis teha suuri asju.
20Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
21Ära karda, maa! Hõiska ja rõõmusta, sest Issand teeb suuri asju!
21Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
22Ärge kartke, välja loomad, sest kõrbe rohumaad löövad haljendama ja puud hakkavad vilja kandma, viigi- ja viinapuud kannavad külluslikult!
22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23Ja teie, Siioni lapsed, hõisake ja rõõmustage Issandas, oma Jumalas, sest tema annab teile õiglaselt varajast vihma, saadab vihma teile alla, varajase ja hilise vihma nagu ennegi!
23Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. [Na: Homeny mpampianatra ny fahamarinana ianareo]
24Siis saavad rehealused täis nisu ning tõrred voolavad üle veinist ja õlist.
24Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25Ja ma tasun teile nende aastate eest, kui saagi sõid rohutirtsud, vastsed, mardikad ja röövikud - see mu suur sõjavägi, kelle ma läkitasin teie kallale.
25Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26Te saate küllalt süüa, te sööte kõhud täis, ja kiidate Issandat, oma Jumalat, kes teiega on talitanud imepäraselt. Jah, mu rahvas ei jää igavesti häbisse.
26Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
27Ja te saate tunda, et mina olen Iisraeli keskel, et mina, Issand, olen teie Jumal ja ei keegi teine. Jah, mu rahvas ei jää igavesti häbisse.
27Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.