1Saalomoni õpetussõnad: Tark poeg rõõmustab isa, aga alp poeg on emale meelehärmiks.
1[Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny valin'ny ataony avy] Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2Ülekohtuselt saadud varandustest pole kasu, aga õiglus päästab surmast.
2Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.
3Issand ei lase nälgida õiget hinge, aga ta tõrjub tagasi õelate himu.
3Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy.
4Laisk käsi toob vaesuse, aga virgad käed teevad rikkaks.
4Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
5Taibukas poeg kogub suvel, aga poeg, kes lõikusajal magab, teeb häbi.
5Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
6Õige pea peale tulevad õnnistused, aga õelate suus peitub vägivald.
6Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na: Fa manaron-doza]
7Mälestus õigest jääb õnnistuseks, aga õelate nimi kõduneb.
7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.
8Kes on südamelt tark, võtab käsud vastu, aga huultelt meeletu libastub.
8Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
9Kes elab laitmatult, elab julgesti, aga kelle teed on kõverad, selle käsi käib halvasti.
9Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10Kes pilgutab silmi, põhjustab valu, ja huultelt meeletu libastub.
10Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11Õiglase suu on eluallikas, aga õelate suus peitub vägivald.
11Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. [Izahao and. 6]
12Vihkamine õhutab riidu, aga armastus katab kinni kõik üleastumised.
12Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13Mõistliku huultel leidub tarkust, aga meeletu seljale on vitsa vaja.
13Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.
14Targad panevad tallele, mida teavad, aga rumala suu toob hukatuse lähedale.
14Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.
15Rikka varandus on tema tugev linn, vaestele on nende vaesus hukatuseks.
15Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.
16Õige inimese töötasu on eluks, õela tulu on patuks.
16Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
17Kes hoiab õpetust, on elurajal, aga kes põlgab noomimist, eksib ära.
17Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
18Kes peab salaviha, selle huuled on valelikud, ja kes ajab laimujuttu, on alp.
18Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19Kus on palju sõnu, seal ei puudu üleastumine, aga kes talitseb oma huuli, on mõistlik.
19Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20Õiglase keel on valitud hõbe, õelate süda on vähe väärt.
20Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21Õiglase huuled kosutavad paljusid, aga rumalad surevad arunappuse pärast.
21Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22See on Issanda õnnistus, mis teeb rikkaks, ja oma vaev ei lisa sellele midagi juurde.
22Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.[Na: Ary tsy ampiany alahelo]
23Albile meeldib teha häbitegusid, aga mõistlikule mehele meeldib tarkus.
23Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa. [Na: Toa laolaon'ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]
24Mida õel kardab, see tabab teda, aga õigete igatsus rahuldatakse.
24Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.
25Kui torm üle käib, siis pole enam õelat, aga õigel on igavene alus.
25Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
26Nagu äädikas hammastele ja suits silmadele, nõnda on laisk sellele, kes tema läkitab.
26Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.
27Issanda kartus jätkab elupäevi, aga õelate aastaid lühendatakse.
27Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.
28Õigete ootus on rõõm, aga õelate lootus hukkub.
28Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
29Issanda tee on kindluseks laitmatule, aga kurjategijaile on ta hukatuseks.
29Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
30Õige ei kõigu iialgi, aga õelad ei jää maale elama.
30Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.
31Õiglase suu edendab tarkust, aga valelik keel hävitatakse.
31Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
32Õiglase huuled teavad, mis on meelepärane, aga õelate suu on pöörane.
32Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.