1Tänage Issandat, sest tema on hea, sest tema heldus kestab igavesti!
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony, indrindra noho ny namaliany ny vavaka nataon'ny mpanompony sy ny namonjeny azy tamin'ny fahavalony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
2Öelgu nüüd Iisrael, et tema heldus kestab igavesti!
2Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
3Öelgu nüüd Aaroni sugu, et tema heldus kestab igavesti!
3Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
4Öelgu nüüd, kes Issandat kardavad, et tema heldus kestab igavesti!
4Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
5Kitsikuses ma hüüdsin appi Issandat, Issand vastas mulle, asetas mind avarusse.
5Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
6Issand on minuga, ei ma karda. Mis võib inimene mulle teha?
6Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?
7Issand on mulle abimeheks, seepärast ma saan parastada vihkajaid.
7Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.
8Parem on pelgupaika otsida Issanda juures kui loota inimeste peale.
8Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona.
9Parem on pelgupaika otsida Issanda juures kui loota õilsate peale.
9Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
10Kõik paganad piirasid mind, Issanda nimel tõrjusin ma nad tõesti tagasi.
10Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa;
11Nad piirasid mind, küll nad piirasid mind, Issanda nimel tõrjusin ma nad tõesti tagasi.
11Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
12Nad piirasid mind nagu mesilased - nad kustusid nagu tuli kibuvitstes. Issanda nimel tõrjusin ma nad tõesti tagasi.
12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
13Mind tõugati kõvasti, et ma langeksin, kuid Issand aitas mind.
13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
14Issand on mu tugevus ja mu kiituslaul, ja tema oli mulle päästjaks.
14Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
15Hõiske- ja päästehääl kostab õigete telkidest: 'Issanda parem käsi teeb vägevaid tegusid!
15Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery;
16Issanda parem käsi on tõusnud kõrgele, Issanda parem käsi teeb vägevaid tegusid!'
16Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery.
17Ei ma sure, vaid jään elama, ja jutustan Issanda tegusid.
17Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah.
18Issand karistas mind rängasti, aga ta ei andnud mind surmale.
18Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
19Avage mulle õiguse väravad! Ma lähen neist sisse ja tänan Issandat.
19Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah.
20See on Issanda värav. Õiged lähevad sealt sisse.
20Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
21Ma tänan sind, et sa mulle vastasid ning tulid mulle päästjaks!
21Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
22Kivi, mille hooneehitajad ära põlgasid, on saanud nurgakiviks.
22Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
23Issanda käest on see tulnud, see on imeasi meie silmis.
23Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
24See on päev, mille Issand on teinud: ilutsegem ja rõõmutsegem temast!
24Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
25Oh Issand, aita nüüd! Oh Issand, lase hästi korda minna!
25Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
26Õnnistatud olgu, kes tuleb Issanda nimel! Meie õnnistame teid Issanda kojast.
26Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
27Issand on Jumal ja tema on meile paistnud nagu valgus. Siduge peoohvrid köitega altari sarvedeni!
27Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza.
28Sina oled mu Jumal ja sind ma tänan! Mu Jumal, sind ma ülistan!
28Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
29Tänage Issandat, sest tema on hea, sest tema heldus kestab igavesti!
29Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.