Pyhä Raamattu

Malagasy

1 Chronicles

1

1Aadam, Set, Enos,
1[Filaharan'ny firazanana hatramin'i Adama ka hatramin'i Abrahama] Adama, Seta, Enosy,
2Kenan, Mahalalel, Jered,
2Kenana, Mahalalila, Jareda,
3Henok, Metuselah, Lemek,
3Enoka, Metosela, Lameka,
4Nooa, Seem, Haam ja Jafet.
4Noa, Sema, Hama ary Jafeta.
5Jafetin pojat olivat Gomer, Magog, Madai, Javan, Tubal, Mesek ja Tiras.
5Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa.
6Gomerin pojat olivat Askenas, Difat ja Togarma.
6Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
7Javanin pojat olivat Elisa ja Tarsis; myös kittiläiset ja rodanilaiset ovat hänen jälkeläisiään.
7Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita.
8Haamin pojat olivat Kus, Misraim, Put ja Kanaan.
8Ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
9Kusin pojat olivat Seba, Havila, Sabta, Raema ja Sabteka. Raeman pojat olivat Saba ja Dedan.
9Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
10Kusille syntyi myös Nimrod, josta tuli ensimmäinen mahtava hallitsija maan päällä.
10Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin'ny tany.
11Misraimin jälkeläisiä ovat ludilaiset, anamilaiset, lehabilaiset, naftuhilaiset,
11Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
12patrosilaiset ja kasluhilaiset, joista filistealaiset ovat lähtöisin, sekä kaftorilaiset.
12sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian'ny Filistina) ary ny Kaftorita.
13Kanaanille syntyivät Sidon, hänen esikoisensa, sekä Het.
13Ary Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta
14Hänen jälkeläisiään ovat myös jebusilaiset, amorilaiset, girgasilaiset,
14ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita
15hivviläiset, arkilaiset, siniläiset,
15sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
16arvadilaiset, semeriläiset ja hamatilaiset.
16sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita.
17Seemin pojat olivat Elam, Assur, Arpaksad, Lud ja Aram. Aramin pojat olivat Us, Hul, Geter ja Mesek.
17Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka.
18Arpaksadille syntyi Selah ja Selahille Eber.
18Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
19Eberille syntyi kaksi poikaa. Toinen oli nimeltään Peleg, sillä hänen aikanaan ihmissuku hajaantui yli maan, ja hänen veljensä nimi oli Joktan.
19Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.[Palega = Fizarana]
20Joktanille syntyivät Almodad, Selef, Hasarmavet, Jerah,
20Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
21Hadoram, Usal, Dikla,
21sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
22Ebal, Abimael, Saba,
22sy Ebala sy Abimaela sy Sheba
23Ofir, Havila ja Jobab. Nämä kaikki olivat Joktanin jälkeläisiä.
23sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
24Seemin jälkeläisiä olivat Arpaksad, Selah,
24Sema, Arpaksada, Sela,
25Eber, Peleg, Reu,
25Ebera, Palega, Reo,
26Serug, Nahor, Terah
26Seroga, Nahora, Tera,
27ja Abram eli Abraham.
27Abrama (dia Abrahama izany).
28Abrahamin pojat olivat Iisak ja Ismael.
28[Ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Esao sy Jakoba] Ny zanakalahin'i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.
29Tässä on luettelo heidän jälkeläisistään. Ismaelin esikoinen oli Nebajot, ja hänen muut poikansa olivat Kedar, Adbeel, Mibsam,
29Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama
30Misma, Duma, Massa, Hadad, Tema,
30sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema
31Jetur, Nafis ja Kedma. Nämä olivat Ismaelin pojat.
31sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin'Isimaela.
32Pojat, jotka Abrahamin sivuvaimo Ketura synnytti, olivat Simran, Joksan, Medan, Midian, Jisbak ja Suah. Joksanin pojat olivat Saba ja Dedan.
32Ary ny zanakalahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama. Izy no niteraka an'i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin'i Joksana dia Sheba sy Dedana.
33Midianin pojat olivat Efa, Efer, Henok, Abida ja Eldaa. Nämä kaikki olivat Keturan jälkeläisiä.
33Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Ketora.
34Abrahamille syntyi Iisak. Iisakin pojat olivat Esau ja Israel.
34Ary Abrahama niteraka an'Isaka. Ny zanakalahin'i Isaka dia Esao sy Isiraely.
35Esaun pojat olivat Elifas, Reuel, Jeus, Jaelam ja Korah.
35Ny zanakalahin'i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora.
36Elifasin pojat olivat Teman, Omar, Sefi, Gaetam, Kenas, Timna ja Amalek.
36Ny zanak'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka.
37Reuelin pojat olivat Nahat, Serah, Samma ja Missa.
37Ny zanakalahin'i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza.
38Seirin pojat olivat Lotan, Sobal, Sibeon, Ana, Dison, Eser ja Disan.
38Ary ny zanakalahin'i Seira dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana.
39Lotanin pojat olivat Hori ja Homam. Lotanin sisar oli nimeltään Timna.
39Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana.
40Sobalin pojat olivat Aljan, Manahat, Ebal, Sefi ja Onam. Sibeonin pojat olivat Ajja ja Ana.
40Ary ny zanakalahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin'i Zibona dia Aia sy Ana.
41Anan poika oli Dison, ja Disonin pojat olivat Hamran, Esban, Jitran ja Keran.
41Ary ny zanakalahin'i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin'i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana.
42Eserin pojat olivat Bilhan, Saavan ja Jaakan. Disanin pojat olivat Us ja Aran.
42Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin'i Disana dia Oza sy Arana.
43Nämä olivat ne kuninkaat, jotka hallitsivat Edomin maassa ennen kuin israelilaisilla oli kuningasta hallitsijanaan: Bela, Beorin poika; hänen hallituskaupunkinsa nimi oli Dinhaba.
43Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely: Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
44Belan kuoltua tuli kuninkaaksi Jobab, Serahin poika, kotoisin Bosrasta.
44Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra.
45Jobabin kuoltua tuli kuninkaaksi Husam, kotoisin Temanin maasta.
45Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita.
46Husamin kuoltua tuli kuninkaaksi Hadad, Bedadin poika, se joka voitti midianilaiset Moabin tasangolla. Hänen hallituskaupunkinsa oli Avit.
46Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
47Hadadin kuoltua tuli kuninkaaksi Samla, kotoisin Masrekasta.
47Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.
48Samlan kuoltua tuli kuninkaaksi Saul, kotoisin Rehobot-Naharista.
48Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.
49Saulin kuoltua tuli kuninkaaksi Baal-Hanan, Akborin poika.
49Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.
50Baal-Hananin kuoltua tuli kuninkaaksi Hadad. Hänen hallituskaupunkinsa oli Pai. Hänen vaimonsa oli Mehetabel, Matredin tytär; Matred puolestaan oli Me-Sahabin tytär.
50Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
51Hadadin kuoltua Edomin heimojen hallitsijoiksi tulivat päälliköt, jotka johtivat Timnan, Alvan, Jetetin,
51Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen'i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,
52Oholibaman, Elan, Pinonin,
52Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,
53Kenasin, Temanin, Mibsarin,
53Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny,Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen'i Edoma.
54Magdielin ja Iramin heimokuntia. Nämä olivat Edomin heimojen hallitsijat.
54Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen'i Edoma.