1Lähetä leipäsi veden yli, ajan mittaan voit saada sen takaisin.
1Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
2Talleta omaisuutesi seitsemälle, kahdeksallekin taholle -- ethän tiedä, mitä onnettomuuksia maassa vielä sattuu.
2Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin'ny tany.
3Kun pilvet täyttyvät vedellä, ne valavat sateen maahan, ja kun puu kaatuu, kaatuupa sitten etelässä tai pohjoisessa, niille sijoilleen se jää.
3Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.
4Joka tuulta tarkkaa, ei saa kylvetyksi, joka pilviä pälyy, ei ehdi leikata.
4Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery]
5Yhtä vähän kuin tiedät, minne tuuli kääntyy tai miten luut rakentuvat raskaana olevan kohdussa, yhtä vähän tiedät Jumalan teoista, hänen, joka kaiken luo.
5Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
6Kylvä siemenesi aamulla äläkä lepuuta kättäsi illan tullen -- ethän tiedä, kummalla kerralla onnistut paremmin vai onnistutko kenties molemmilla.
6Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
7Suloinen on valo, silmät iloitsevat nähdessään auringon.
7Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
8Jos ihminen elää monia vuosia, hän iloitkoon niistä kaikista, mutta hänen on hyvä muistaa, että pimeitäkin päiviä tulee paljon. Kaikki, mikä häntä kohtaa, on turhuutta.
8fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
9Iloitse varhaisista vuosistasi, nuorukainen, nauti nuoruutesi päivistä! Seuraa sydämesi teitä ja silmiesi haluja, mutta muista, että Jumala vaatii sinut kaikesta tuomiolle.
9[Anatra ho an'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany.Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
10Karkota suru sydämestäsi ja torju kärsimys ruumiistasi -- silti myös nuoruus, elämän aamu, on turhuutta.
10Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.