Pyhä Raamattu

Malagasy

Ecclesiastes

12

1Muista Luojaasi nuoruudessasi, ennen kuin pahat päivät tulevat ja joutuvat ne vuodet, jotka eivät sinua miellytä,
1Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;
2ennen kuin auringon valo, kuu ja tähdet himmenevät ja sadetta seuraavat yhä uudet pilvet.
2dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana;
3Silloin talon vartijat vapisevat, soturit painuvat kumaraan ja jauhajanaiset, vähiin käyneet, ovat jouten. Ikkunoista kurkistelijat jäävät pimeään,
3fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely,
4kadun kaksoisportit suljetaan, myllyn ääni heikkenee ja ohenee linnunlaulun kaltaiseksi ja laulun kaikki kaiut vaimenevat.
4ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony]
5Silloin myös pelätään mäkiä ja tie on täynnä kauhuja. Mantelipuu kukkii ja heinäsirkka ahmii vatsansa täyteen ja kapriksen nuput puhkeavat, mutta ihminen menee iäiseen majaansa ja valittajat kiertävät kujia.
5ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy]
6Muista Luojaasi nuoruudessasi, ennen kuin hopealanka katkeaa ja kultamalja särkyy, ennen kuin vesiastia rikkoutuu lähteellä ja ammennuspyörä putoaa särkyneenä kaivoon.
6dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,
7Tomu palaa maahan, josta se on tullut. Henki palaa Jumalan luo, joka on sen antanut.
7ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.
8Turhuuksien turhuus, sanoi Saarnaaja, kaikki on turhuutta.
8Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
9Saarnaaja oli viisas, eikä siinä kyllin: hän myös opetti tietoa kansalle. Hän punnitsi mielessään ja sommitteli monia sananlaskuja.
9[Teny farany] Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
10Hän pohdiskeli sattuvia sanontoja ja kirjoitti vilpittömiä totuuden sanoja.
10Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana.
11Viisaiden sanat ovat teräviä kuin häränajajan piikki, mietelauselmat kuin lujia nauloja. Nämä sanat ovat kaikki saman paimenen antamia.
11Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen'ny mpiandry iray izy;
12Ja vielä: Poikani, paina varoitus mieleesi. Paljolla kirjojen tekemisellä ei ole loppua, ja alituinen tutkistelu väsyttää ruumiin.
12ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.
13Tässä on lopputulos kaikesta, mitä nyt on kuultu: pelkää Jumalaa ja pidä hänen käskynsä. Tämä koskee jokaista ihmistä.
13Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]
14Jumala vaatii tuomiolle kaikista salatuistakin teoista, niin hyvistä kuin pahoista.
14Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]