1Minä sanoin sydämessäni: antaudunpa iloon, nautin elämän onnesta! Mutta sekin oli turhuutta.
1[Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
2Naurusta minä sanoin: joutavaa!, ja ilosta: mitä hyötyä siitä on?
2Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
3Päätin sitten virkistää itseäni viinillä -- päästämättä silti viisautta ohjaksista -- ja sillä tavoin antaa mielettömyydelle vallan, kunnes näkisin, mitä ihmisen on paras tehdä vähinä elinpäivinään tämän taivaan alla.
3Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
4Minä ryhdyin suuriin töihin: rakensin itselleni taloja, istutin viinitarhoja
4Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
5sekä puistoja ja puutarhoja, joissa kasvoi kaikenlaisia hedelmäpuita,
5nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
6tein itselleni lammikoita kastellakseni niiden vedellä metsikön puita.
6nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
7Minä hankin orjia ja orjattaria, ja heitä syntyi myös talossani; minulla oli karjaa, raavaita, lampaita ja vuohia, enemmän kuin kenelläkään, joka oli hallinnut Jerusalemissa ennen minua.
7nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8Kokosin itselleni myös kultaa ja hopeaa, kuninkaiden aarteita ja maakuntien rikkauksia. Minä hankin laulajia ja laulajattaria ja miehen nautintoja: vaimon, jopa useita vaimoja.
8Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be dia be]
9Minä tulin mahtavaksi, mahtavammaksi kuin yksikään edeltäjäni Jerusalemissa. Silti säilytin kaikessa viisauteni.
9Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
10Minä en evännyt silmiltäni mitään, mitä ne halusivat, enkä kieltänyt sydämel- täni yhtäkään iloa. Vaivannäköni tuloksista minun sydämeni iloitsi, sen palkan sain kaikesta ponnistelustani.
10Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.
11Mutta kun tarkastelin töitä, joita käteni olivat tehneet, ja vaivaa, jonka olin nähnyt, minä havaitsin: kaikki se oli turhuutta ja tuulen tavoittelua. Mistään ei ole mitään hyötyä auringon alla.
11Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]
12Kun minä aloin vertailla toisaalta viisautta, toisaalta mielettömyyttä ja typeryyttä -- mitäpä kukaan kuninkaan jälkeen tuleva osaa tehdä muuta kuin mitä ennenkin on tehty? --
12[Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
13niin totesin, että viisaus on kyllä tyhmyyttä hyödyllisempi niin kuin valo on hyödyllisempi pimeyttä,
13Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran'ny mazava noho ny maizina.[Heb. mihoatra][Heb. fihoaran']
14sillä viisaalla on silmät päässä, tyhmä hapuilee pimeässä. Mutta havaitsin myös, että sama kohtalo tapaa molemmat.
14Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
15Silloin minä tajusin: minun käy kuin tyhmän -- sama kohtalo tapaa myös minut! Miksi siis olen niin määrättömästi tavoitellut viisautta? Päättelin mielessäni: turhuutta on ollut sekin.
15Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
16Viisaasta ei jää ikuista muistoa enempää kuin tyhmästäkään, tulevina päivinä molemmat unohdetaan. Niin kuolee viisas kuin tyhmäkin!
16Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
17Ja minä vihasin koko elämää, sillä kaikki, mitä auringon alla tapahtuu, oli minusta pelkkää pahaa, turhuutta ja tuulen tavoittelua.
17Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]
18Minä vihasin sitä vaivannäköä, jolla olin rasittanut itseäni auringon alla, koska minun täytyy jättää sen tulokset seuraajalleni.
18Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany,
19Ja kuka tietää, onko hän viisas vai tyhmä? Silti hän kerran hallitsee kaikkea, minkä olen täällä vaivaa nähden ja viisauden avulla saanut aikaan. Sekin on turhuutta.
19ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
20Minä antauduin epätoivon valtaan kaiken sen vaivannäön vuoksi, jolla olin rasittanut itseäni auringon alla.
20Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.
21Sillä voihan käydä niin, että kaiken, minkä on vaivaa nähden ja viisaasti, taitavasti ja menestyen saanut aikaan, joutuu sitten jättämään toiselle, vaikka tämä ei ole nähnyt siitä lainkaan vaivaa. Sekin on turhuutta ja suuri vääryys.
21Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
22Tosiaankin, mitä ihminen silloin saa korvaukseksi vaivannäöstään ja sydämensä pyrkimyksestä, kaikesta, millä hän itseään rasittaa auringon alla?
22Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?
23Ovathan hänen päivänsä pelkkää huolta ja hänen työnsä murhetta, eikä hänen mielensä saa lepoa edes yöllä. Tämäkin on turhuutta.
23Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
24Vaivannäkönsä keskellä ihmisellä ei ole muuta onnea kuin syödä ja juoda ja nauttia elämän iloista. Minä huomasin, että myös tämä tulee Jumalan kädestä.
24Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa]
25Sillä kuka voi syödä ja kuka iloita ilman häntä?
25(fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
26Sille, joka on hänelle mieleen, hän antaa viisautta, tietoa ja iloa, mutta syntisen hän panee kokoamaan ja kartuttamaan hyvää sille, joka on hänelle mieluinen. Mutta tämäkin on turhuutta ja tuulen tavoittelua.
26Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]