Pyhä Raamattu

Malagasy

Ecclesiastes

3

1Kaikella on määrähetkensä, aikansa joka asialla taivaan alla.
1[Ny filaharan'ny zavatra samy amin'ny fotoany avy, sy ny mbola hitsaran'Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary ny anton'ny nanaovana ny olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra:
2Aika on syntyä ja aika kuolla, aika on istuttaa ja aika repiä maasta,
2Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
3aika surmata ja aika parantaa, aika on purkaa ja aika rakentaa,
3Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
4aika itkeä ja aika nauraa, aika on valittaa ja aika tanssia,
4Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
5aika heitellä kiviä ja aika ne kerätä, aika on syleillä ja aika olla erossa,
5Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
6aika etsiä ja aika kadottaa, aika on säilyttää ja aika viskata menemään,
6Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
7aika repäistä rikki ja aika ommella yhteen, aika olla vaiti ja aika puhua,
7Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
8aika rakastaa ja aika vihata, aika on sodalla ja aikansa rauhalla.
8Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
9Mitä hyötyä on vaivannäöstä sille, joka työtä tekee?
9Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?
10Olen katsellut kaikkea aherrusta, jonka Jumala on antanut ihmisille heidän rasituksekseen.
10Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.
11Kaiken hän on alun alkaen tehnyt hyväksi ja asettanut iäti jatkumaan, mutta ihminen ei käsitä Jumalan tekoja, ei niiden alkua eikä loppua.
11Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.[na: izao tontolo izao]
12Minä oivalsin, ettei ihmisellä ole muuta onnea kuin iloita ja nauttia elämän hyvyydestä.
12Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa]
13Mutta Jumalan lahja on sekin, että ihminen saa vaivannäkönsä keskellä syödä ja juoda ja nauttia elämän antimista.
13Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
14Minä oivalsin, että kaikki, minkä Jumala tekee, pysyy ikuisesti. Siihen ei ole lisäämistä eikä siitä vähentämistä. Jumala on niin tehnyt, että häntä pelättäisiin.
14Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
15Mitä nyt on, sitä on ollut ennenkin, ja mitä vastedes on, sitäkin on ollut ennen. Jumala tuo esiin sen, minkä aika on vienyt.
15Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa. [Heb. voaroaka]
16Vielä minä näin auringon alla: oli oikeuspaikka -- ja siellä vääryys, oli tuomioistuin -- ja sielläkin vääryys.
16Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
17Minä ajattelin itsekseni: Jumala tuomitsee oikein, niin syyttömän kuin syyllisen, sillä jokaisella asialla ja teolla on aikansa.
17Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
18Ja minä ajattelin: Näin tapahtuu ihmisten vuoksi. Jumala koettelee heitä, jotta he ymmärtäisivät olevansa pelkkiä luontokappaleita.
18Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra]
19Sillä ihmisten ja eläinten kohtalo on yhtäläinen: samalla tavoin kuolevat molemmat, yhtäläinen henki on kaikilla. Ihmisillä ei ole etusijaa eläimiin nähden, kaikki on turhuutta.
19Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa izay manjo ny zanak'olombelona dia manjo ny biby koa]
20Kaikki menee samaan paikkaan: kaikki on tullut tomusta ja kaikki palaa tomuun.
20Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray izy rehetra.[Na: hody]
21Kuka tietää, kohoaako ihmisen henki ylös ja vajoaako eläinten henki alas maahan?
21Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
22Minä havaitsin, ettei ole mitään parempaa kuin nyt iloita teoistaan. Sellainen on ihmisen osa. Kuka hänet toisi takaisin näkemään, mitä hänen jälkeensä tapahtuu?
22Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?