Pyhä Raamattu

Malagasy

Ecclesiastes

8

1Kuka on viisaan veroinen, kuka osaa selittää asiat? Viisaus kirkastaa ihmisen kasvot, mutta röyhkeys ne vääristää.
1Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.
2Tottele kuninkaan käskyä: olet vannonut hänelle uskollisuutta Jumalan nimen kautta.
2Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.
3Älä luovu hänestä vähällä äläkä sekaannu pahoihin hankkeisiin, sillä hän tekee mitä tahtoo.
3Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
4Kuninkaan sana on laki. Kuka voi vaatia hänet tilille siitä, mitä hän tekee?
4fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
5Se, joka pitää hänen käskynsä, ei halua tietää juonitteluista. Viisaan sydän kyllä tietää, milloin toimia ja miten,
5Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;[Heb. mahalala]
6sillä joka asialla on aikansa ja tapansa. Mutta ihmistä painaa kiusaava taakka:
6fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.[Na: fahorian']
7hän ei tiedä, mitä tulevaisuudessa tapahtuu eikä miten se tapahtuu -- kuka voi sen hänelle kertoa?
7Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
8Ihminen ei ole tuulen valtias, ei hän pysty sitä pidättämään, eikä kukaan hallitse kuolemansa hetkeä. Sodasta ei ole pääsyä, eikä synti päästä tekijäänsä vapaaksi.
8Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.
9Tämän kaiken minä havaitsin tarkkaillessani, mitä auringon alla tapahtuu aikana, jolloin ihminen hallitsee toista tämän onnettomuudeksi.
9Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
10Sitten minä näin, miten jumalattomat tulivat ja tunkeutuivat pyhäkköön. Palatessaan he kerskailivat kaupungilla teostaan. Turhuutta kaikki.
10Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany]
11Milloin pahaa tekoa ei pian seuraa rangaistus, ihmiset rohkaistuvat pahantekoon:
11Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
12moni syntinen tekee pahaa sata kertaa ja elää silti kauan. Tiedän kuitenkin, että Jumalaa pelkäävälle käy hyvin hänen jumalanpelkonsa johdosta,
12Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
13ja tiedän myös, että jumalattomalle ei käy hyvin: koska hän ei pelkää Jumalaa, hänen elinpäivänsä häipyvät kuin pakeneva varjo.
13Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.
14Turhuutta on maan päällä tämäkin: on hurskaita, joiden käy niin kuin he olisivat tehneet vääryyttä, ja on jumalattomia, joiden käy niin kuin he olisivat tehneet oikein. Minä sanon: se on turhuutta.
14Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
15Niinpä minä ylistin iloa, koska ihmisellä ei ole auringon alla muuta onnea kuin syödä ja juoda ja iloita. Tämä ilo seuraa häntä kaiken vaivannäön keskellä niinä elinpäivinä, jotka Jumala on hänelle antanut auringon alla.
15Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.
16Kun koetin perehtyä viisauteen ja tutkistella sitä työtä, jota ihminen maan päällä yötä päivää tekee saamatta untakaan silmiinsä,
16[Ny tsi-fahatakaran'ny saina ny fitondran'Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana amin'izay soa hita ary hahazotoana amin'izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
17niin havaitsin, ettei ihminen voi käsittää Jumalan tekoja, sitä mitä auringon alla tapahtuu; vaikka ihminen kuinka ponnistelee yrittäessään ymmärtää, ei hän käsitä. Ja vaikka viisas väittäisikin ymmärtävänsä, ei hän kuitenkaan ymmärrä.
17dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.