1Kaiken tämän olen ottanut sydämelleni, tätä punninnut mielessäni: millä tavoin hurskaat ja viisaat ja heidän tekonsa ovat Jumalan kädessä. Ei ihminen itse tiedä, käykö hän kohti vihaa vai rakkautta. Kaikki, mikä hänen eteensä tulee, on turhuutta,
1Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
2koska kaikkien kohtalo on sama: niin jumalisen kuin jumalattoman, niin hyvän kuin pahan, puhtaan ja saastaisen, uhraajan ja sen joka ei uhraa. Hyvän käy samoin kuin syntisen, valan vannojan samoin kuin vannomista karttavan.
2Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.
3Kaikessa, mikä auringon alla tapahtuu, on lohdutonta juuri se, että jokaisen kohtalo on sama, niin kuin sekin, että ihmisen sydän on pahuutta täynnä ja että hänen sisimmässään asuu mielettömyys koko hänen elinaikansa, ja sen jälkeen -- suoraa päätä vainajien joukkoon!
3Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
4Niin kauan kuin ihminen elää, hänellä on toivoa. "Elävä koira on parempi kuin kuollut leijona."
4Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.[Na: Fa iza no ho afaka? Ny amin'ny velona rehetra dia mbola misy hantenaina]
5Elävät tietävät sen, että heidän on kuoltava, mutta kuolleet eivät tiedä mitään. Heillä ei ole enää palkkaa saatavana, ja heidän muistonsa on unohdettu.
5Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6Heidän rakkautensa ja vihansa ja kiihkonsa on mennyt, eikä heillä enää koskaan ole osaa missään, mikä tapahtuu auringon alla.
6Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
7Syö siis leipäsi iloiten ja juo viinisi hyvillä mielin, sillä jo kauan sitten Jumala on hyväksynyt nuo tekosi.
7Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
8Olkoot vaatteesi aina valkeat ja olkoon pääsi runsaasti voideltu.
8Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
9Nauti elämästä rakastamasi vaimon kanssa kaikkina turhina elinpäivinäsi, jotka Jumala on antanut; se on osasi tässä elämässä auringon alla, kaiken vaivannäkösi keskellä.
9Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin'ny masoandro.
10Tee voimiesi mukaan se mikä tehtävissä on, sillä tuonelassa, jonne olet matkalla, ei ole tekoja, ei ajatuksia, ei tietoa, ei viisautta.
10Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.[Heb. Sheola]
11Vielä tämän minä havaitsin auringon alla: Juoksu ei ole nopeiden vallassa eikä sota sankareiden, ei leipä viisaiden, ei rikkaus kyvykkäiden eikä menestys älykkäiden. Kaikki on ajan ja kohtalon vallassa.
11[Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny hery] Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
12Ihminen ei tiedä aikaansa niin kuin eivät kalatkaan, jotka tarttuvat verkkoon, eivätkä linnut, jotka takertuvat paulaan. Niiden tavoin joutuu myös ihminen saaliiksi, kun hänen hetkensä koittaa.
12Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
13Minä havaitsin, että viisaudelle, suurellekin, saattoi käydä näin auringon alla:
13Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
14Oli pieni kaupunki, jossa oli vähän asukkaita. Sitä vastaan hyökkäsi mahtava kuningas. Hän saartoi kaupungin ja pystytti suuria piirityslaitteita sen ympärille.
14Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
15Kaupungissa asui köyhä mutta viisas mies. Hän olisi voinut pelastaa kaupungin viisaudellaan, mutta kukaan ei tullut ajatelleeksi sitä köyhää miestä.
15Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
16Niinpä minä sanon: Viisaus on parempi kuin voima, mutta köyhän viisautta vähätellään eikä hänen sanojaan kuunnella.
16Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren'ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
17On parempi kuunnella viisaan hiljaisia sanoja kuin houkkien johtajan huutoa.
17[Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fahazotoana ary ny fahamarinana] Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
18Viisaus on sota-aseita parempi.
18Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.