1Oli kolmaskymmenes vuosi, neljännen kuun viides päivä, ja minä olin pakkosiirtolaisten keskuudessa Kebarjoen varrella. Silloin taivaat aukenivat, ja minä näin näkyjä, jotka Jumala oli lähettänyt.
1[Ny nahitan'i Ezekiela ny voninahitr'i Jehovah] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
2Oli kuukauden viides päivä, kuningas Jojakinin pakkosiirtolaisuuden viides vuosi.
2Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)
3Silloin tuli Herran sana Hesekielille, papille, Busin pojalle, Kaldean maassa Kebarjoen varrella. Siellä häneen tarttui Herran käsi.
3dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.
4Tämän minä näin: Pohjoisesta tuli myrskytuuli ja suuri pilvi, joka liekehti tulta ja levitti loistetta ympärilleen. Tulen keskusta säihkyi kuin sula kulta,
4Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
5ja keskellä hehkua näkyi neljän olennon hahmot. Tällainen oli niiden ulkonäkö: Niillä oli ihmisen muoto,
5Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.
6mutta kullakin oli neljät kasvot ja kullakin neljä siipeä.
6Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
7Niillä oli suorat sääret ja jalkaterät kuin vasikan sorkat, ja ne välkehtivät kuin kiiltävä pronssi.
7Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.
8Siipien alla oli kaikilla ihmiskädet, neljällä puolen, kuten olivat myös kasvot ja siivet,
8Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
9ja niiden siivenkärjet koskettivat toisten siipiä. Ne eivät kääntyneet kulkiessaan, vaan kukin liikkui suoraan, kasvojensa suuntaan.
9Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.
10Niiden kasvot olivat kuin ihmisen kasvot, mutta oikealla puolen oli leijonan kasvot ja vasemmalla härän kasvot, ja vielä niillä oli kotkan kasvot, kaikilla neljällä yhtä lailla.
10Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
11Kullakin olennolla oli kaksi siipeä ylhäällä levällään, niin että ne koskettivat toisten siipiä, ja kahdella siivellä ne peittivät vartalonsa.
11Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
12Ne kaikki kulkivat kasvojensa suuntaan, sinne, minne henki niitä johti. Kulkiessaan ne eivät kääntyneet.
12Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
13Näiden olentojen välissä näkyi kuin liekehtiviä hiiliä. Lieskat liikkuivat olentojen lomitse soihtujen tavoin, tuli välkkyi ja sinkosi salamoita,
13Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
14ja salamoiden lailla kiitivät itse olennotkin edes ja taas.
14Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
15Ja tämän minä näin: Jokaisen vieressä oli pyörä, joka kosketti maata.
15Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.
16Kaikki neljä pyörää olivat toistensa kaltaiset, ja ne välkehtivät kuin olisivat krysoliitista tehdyt. Niissä oli kuin toinen pyörä ristikkäin toisen kanssa, sellaiset ne olivat rakenteeltaan.
16Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.
17Olennot liikkuivat neljään suuntaan, eikä pyörien tarvinnut kääntyä.
17Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
18Pyörät olivat korkeat, pelottavat, jokaisen kehä välkehti kauttaaltaan valoa.
18Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19Kun olennot liikkuivat, liikkuivat pyörätkin niiden vierellä, ja kun ne kohosivat maasta, kohosivat pyörät niiden mukana.
19Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.
20Minne henki niitä ohjasi, sinne ne kulkivat hengen käskyjen mukaan, ja niiden vierellä kohosivat ilmaan pyörät, sillä pyöriä liikutti sama henki.
20Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.
21Pyörät liikkuivat minne olennotkin, ne pysähtyivät olentojen pysähtyessä ja kohosivat ilmaan niiden vierellä, sillä niitä liikutti sama henki.
21Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.
22Näiden olentojen yläpuolella oli kuin kaartuva levy. Kristallin tavoin se loisti niiden yllä, se hohti pelottavaa valoa.
22Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.
23Levyn alla kunkin olennon kaksi siipeä ojentui vieressä seisovien siipiä kohti, ja kahdella siivellä kukin peitti vartalonsa.
23Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
24Kun ne kulkivat, minä kuulin siipien äänen, kuin suurten vesien pauhun, kuin Kaikkivaltiaan jylisevän äänen, kuin väkijoukon metelin tai sotajoukon melskeen. Pysähtyessään ne laskivat siipensä.
24Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;
25Myös niiden pään yllä olevan levyn päältä kuului mahtava jyly. Pysähtyessään ne laskivat siipensä.
25Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
26Ja ylhäällä, niiden päällä olevan levyn yläpuolella, oli jotakin, mikä hohti kuin safiiri. Se oli valtaistuimen muotoinen, ja tällä valtaistuinta muistuttavalla istui joku ihmisen kaltainen.
26Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.
27Minä näin kuin puhtaan kullan loisteen. Tuon ihmisen kaltaisen lanteiden kohdalta lähti ylöspäin tulinen kehä, ja lanteiden kohdalta alaspäin näin hohtavan tulikehän.
27Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
28Loiste ympäröi istuimen, se oli kuin sadepäivänä pilvessä näkyvä kaari. Sellainen on näöltään Herran kirkkaus. Minä heittäydyin maahan kasvoilleni, kun sen näin. Ja minä kuulin jonkun puhuvan.
28Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.