1Minulle tuli tämä Herran sana:
1[Ny harena amam-boninahitra nananan'i Tyro, sy fitomaniana noho ny manjo azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2"Ihminen, viritä valitusvirsi, valita Tyroksen kohtaloa.
2Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,
3Sano Tyrokselle, tuolle suurelle kauppiaalle, joka asuu meriteiden portilla ja käy kauppaa meren rantojen ja saarien kanssa: Näin sanoo Herra Jumala: -- Tyros, sinä sanot: "Minä olen itse kauneus!"
3ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
4Olet keskellä merta, ja rakentajasi tekivät sinusta ihmeen kauniin.
4Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
5Senirin sypressistä rakennettiin molemmat kylkesi, Libanonin vuorilta kaadettiin setri sinulle mastoksi.
5Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
6Basanin tammista veistettiin sinulle airot. Kansilaudoiksesi tuotiin sypressipuuta kittiläisten saarelta.
6Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
7Värikästä Egyptin pellavaa olivat purjeesi, tunnusmerkkisi. Sinistä ja punaista Kyproksen purppuraa olivat aurinkokatoksesi.
7Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.
8Sidonin ja Arvadin miehet olivat airoissasi, ja omat viisaasi, Tyros, otit pitämään perää.
8Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
9Bybloksen vanhimmat ja viisaat tilkitsivät vuotokohdat. Meren kaikki laivat ja laivurit tulivat luoksesi kaupantekoon.
9Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
10Armeijassasi olivat Persian, Ludin ja Putin miehet. He ripustivat kilpensä ja kypäränsä koristamaan kylkiäsi.
10Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[Heb. Loda][Heb. Pota]
11"Arvadin miehet olivat omien joukkojesi kanssa joka puolella muureillasi, ja tornejasi vartioivat gammadilaiset. He ripustivat nuolikotelonsa joka puolelle muuriesi harjalle, kruunasivat siten sinun kauneutesi.
11Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
12"Tarsis kävi kanssasi kauppaa, koska sinulla oli paljon myytävää, ja tavaroistasi sait hopeaa, rautaa, tinaa ja lyijyä.
12Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
13Samoin ostivat Javan, Tubal ja Mesek sinulta tuotteitasi ja antoivat maksuksi orjia ja kupariesineitä.
13Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
14Bet-Togarman kauppiailta sait vaihtokaupassa vaunuhevosia, ratsuja ja muuleja.
14Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
15Myös Dedanin kanssa kävit kauppaa, ja monet saaret olivat kauppasuhteissa kanssasi ja antoivat maksuksi norsunluuta ja eebenpuuta.
15Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb. vangy ivory]
16Kauppakumppaninasi oli myös Edom -- olihan sinulla, mitä myydä. Se toimitti sinulle vastineeksi granaattikiveä, purppuraa, kirjailtuja kankaita ja hienointa pellavaa sekä koralleja ja rubiineja.
16Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
17"Juuda ja Israelin maa kävivät nekin kanssasi kauppaa. Ne antoivat tavaroistasi Minnitin vehnää, leivoksia ja hunajaa sekä oliiviöljyä ja balsamia.
17Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
18Samoin ylläpiti Damaskos suhteita sinuun, koska olit vauras ja sinulla oli paljon kaupattavaa, ja se toimitti sinulle Helbonin viiniä ja Saharin villaa.
18Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.
19Dan ja Ussalin Javan antoivat tavaroistasi maksuksi taottua rautaa, kanelia ja mausteruokoa,
19Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.[Na: vy mamirapiratra][Na: Vedana sy Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra no isian'ny varotrao]
20ja Dedan välitti sinulle satulaloimia.
20Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
21Myös Arabia ja kaikki Kedarin ruhtinaat kävivät kauppaa kanssasi ja toimittivat sinulle karitsoita, pässejä ja pukkeja.
21Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
22Samoin olivat Saban ja Raeman kauppiaat sinuun yhteydessä ja vaihtoivat tavarasi parhaaseen balsamiin sekä monenlaisiin kalliisiin kiviin ja kultaan.
22Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
23Haran, Kanne, Eden, Assyria ja Kilmad kävivät nekin kanssasi kauppaa
23Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
24ja toivat markkinoillesi upeita vaatteita, purppuraviittoja, kirjailtuja kankaita, värikkäitä, raidallisia peitteitä ja vahvoja punosköysiä.
24Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy mafy]
25Sinun tavaroitasi kuljettivat Tarsisin-laivat. -- Täpötäynnä, raskaassa lastissa lähdit keskelle merta.
25Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina.
26Aavoille merenselille sinut soudettiin, mutta itämyrsky pirstoi sinut keskellä merta.
26Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
27"Tuli häviösi päivä. Sinä vajosit mereen, ja sinun kanssasi vaipuivat syvyyksiin rikkautesi, tuotteesi ja tavarasi, laivurisi, pursimiehesi ja tilkitsijäsi, tavaroittesi myyjät ja kaikki sotilaasi, kaikki jotka olivat kanssasi.
27Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.
28-- Laivamiehesi huutavat ja valittavat, niin että rannat järkkyvät
28Noho ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
29ja kaikkialla soutajat lähtevät laivasta, kaikki laivurit ja merimiehet nousevat maihin
29Ary samy midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;
30ja huutavat suureen ääneen sinun tähtesi. He itkevät katkerasti, ripottavat hiekkaa hiuksiinsa ja kieriskelevät tuhkassa.
30Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]
31He leikkaavat sinun vuoksesi päänsä paljaaksi ja pukeutuvat karkeaan kankaaseen, he itkevät sinua katkerasti, valittaen ja voihkien.
31Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
32Surussaan he virittävät valitusvirren, laulavat sinusta kuolinlaulun: -- Kuka veti vertoja Tyrokselle, merimahdille?
32Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina ?
33Sinun tavarasi saapuivat merten takaa, sinä ravitsit monia kansoja. Runsailla, arvokkailla tuotteillasi sinä vaurastutit maan kuninkaat.
33Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.
34Nyt olet hylky, et purjehdi vaan lepäät syvyydessä. Kaikki tavarasi, kaikki joukkosi veit mukanasi mereen.
34Tamin'ny andro nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
35Kaikki merenrantojen asukkaat kauhistuvat kohtaloasi, heidän kuninkaansa typertyneinä tuijottavat, vapisevat pelosta.
35Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
36Kaikissa maissa kauppiaat kammoksuvat osaasi, viheltävät kauhistuneina. Sinä olet iäksi poissa."
36Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay