Pyhä Raamattu

Malagasy

Ezekiel

28

1Minulle tuli tämä Herran sana:
1[Faminaniana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro;] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;
2"Ihminen, sano Tyroksen ruhtinaalle: Näin sanoo Herra Jumala: -- Sinä olet käynyt ylpeäksi, sinä sanot: "Minä olen jumala, minä istun jumalten istuimella keskellä merta." Ihminen sinä olet, et jumala, vaikka pidät itseäsi jumalana.
2Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,
3Viisaudessa kyllä voitat Danielinkin, mikään ei jää sinulta salatuksi.
3Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!
4Oman viisautesi ja järkesi avulla olet hankkinut itsellesi rikkauksia, koonnut varastoihisi kultaa ja hopeaa.
4Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin'ny rakitrao
5Olet tehnyt viisaita kauppoja ja lisännyt vaurauttasi. Mutta rikkaus teki sinusta ylpeän.
5Ny haben'ny fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;
6Sen tähden sanoo Herra Jumala: -- Koska pidät itseäsi jumalana,
6Koa, indro, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny fonao,
7minä nostan vieraat kansat sinua vastaan, minä tuon kansoista julmimmat, ja ne paljastavat miekkansa ja iskevät kopeaan viisauteesi, tallaavat loistosi tomuun.
7Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao
8Ne syöksevät sinut hautaasi, sinä kuolet miekan lävistämänä keskellä merta.
8Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.
9Vieläkö sanot: "Minä olen jumala", kun seisot surmaajiesi edessä? Ihminen sinä olet, et jumala, olet tappajiesi armoilla.
9Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao
10Sinä kuolet muukalaisten käsissä kuin kuka tahansa ympärileikkaamaton. Minä olen puhunut, sanoo Herra Jumala."
10Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
11Minulle tuli tämä Herran sana:
11Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12"Ihminen, viritä valitusvirsi Tyroksen kuninkaasta, sano hänelle: Näin sanoo Herra Jumala: -- Sinä olit täydellisistä täydellisin, täynnä viisautta, itse kauneus.
12Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]
13Olit Eedenissä, Jumalan puutarhassa, ja sinua koristivat kalliit kivet, karneolit, topaasit ja kalsedonit, krysoliitit, onyksit, jaspikset, safiirit, turkoosit ja smaragdit. Pukusi oli kullalla kirjailtu. Jo syntyessäsi oli kaikki valmiina.
13Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]
14Kerubiksi minä sinut tein, sädehtiväksi vartijaenkeliksi, sinä olit pyhällä vuorella, käyskentelit välkehtivien kivien keskellä.
14Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15Moitteen sijaa ei sinussa ollut siitä päivästä, jona sinut loin, siihen päivään, jolloin lankesit pahaan.
15Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
16Kun kävit kauppaa kaikkialla, sinä tulit yhä röyhkeämmäksi ja sorruit syntiin. Niin minä suistin sinut pyhältä vuorelta, syöksin sinut, vartijakerubini, välkehtivien kivien keskeltä.
16Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
17Kauneutesi houkutti sinut korskeuteen, loistosi sokaisemana haaskasit viisautesi. Nyt olen syössyt sinut alas, jättänyt kuninkaiden katseltavaksi ja pilkattavaksi.
17Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
18Sinä teit kaupoissasi vääryyttä, monin synnein sinä saastutit pyhäkkösi. Siksi minä sytytin keskellesi tulen, ja se poltti sinut, minä tein sinusta tomua ja tuhkaa kaikkien nähden.
18Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
19Kaikki kansat, jotka tunsivat sinut, kauhistuvat nyt kohtaloasi. Sinä olet kammottava varoitus. Sinä olet iäksi poissa."
19Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.
20Minulle tuli tämä Herran sana:
20[Faminaniana ny amin'i Sidona, sy fanomezan-toky ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
21"Ihminen, käännä katseesi kohti Sidonia ja julista sille tuomio.
21Ry zanak'olona, manandrifia an'i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,
22Sano: Näin sanoo Herra Jumala: -- Sidon, minä käyn sinua vastaan! Siinä, mitä sinulle teen, minä osoitan mahtini. Kaikki saavat tietää, että minä olen Herra, kun panen täytäntöön tuomiosi, kun tuon pyhyyteni julki.
22ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.
23Minä lähetän ruton sinun keskellesi ja peitän katusi verellä. Miekka kaataa sinun miehiäsi, joka taholta käydään kimppuusi. Kaikki saavat tietää, että minä olen Herra.
23Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
24"Enää ei israelilaisilla ole vierellään pistävää okaa, ei purevaa piikkiä, ei kansaa, joka halveksii heitä. Niin he tulevat tietämään, että minä olen Herra, Jumala.
24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
25"Näin sanoo Herra Jumala: Minä kokoan israelilaiset vieraiden kansojen keskeltä, maista, joihin heidät on hajotettu, ja tällä, minkä heille teen, minä osoitan pyhyyteni kaikille kansoille. Israelilaiset saavat asua omassa maassaan, jonka minä olen palvelijalleni Jaakobille antanut.
25Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
26Siellä he ovat vihollisilta turvassa, he rakentavat taloja ja istuttavat viinitarhoja, ja maassa vallitsee rauha. Mutta ne kansat, jotka nyt ovat heidän ympärillään ja halveksivat heitä, saavat kaikki minulta tuomionsa. Niin he oppivat ymmärtämään, että minä olen Herra, heidän Jumalansa."
26Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.