1Persian kuninkaan Kyyroksen ensimmäisenä hallitusvuotena Herra toteutti sanansa, jonka profeetta Jeremia oli julistanut. Hän johdatti Kyyroksen kuuluttamaan kaikkialla valtakunnassaan sekä suullisesti että kirjallisesti:
1[Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody, sy ny nanomezany azy ny fanaka avy tao amin'ny tempoly] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
2"Näin sanoo Kyyros, Persian kuningas: Herra, taivaan Jumala, on antanut minulle kaikki maan valtakunnat. Hän on nyt käskenyt minun rakentaa itselleen temppelin Juudan Jerusalemiin.
2Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
3Kaikkien teidän, jotka kuulutte hänen kansaansa, tulee lähteä Juudan Jerusalemiin rakentamaan Herran, Israelin Jumalan, temppeliä. Olkoon teidän Jumalanne teidän kanssanne! Herra on Jumala, jonka asuinsija on Jerusalem.
3Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
4Kaikkialla, missä tämän kansan jäseniä yhä elää muukalaisina, tulee paikkakunnan asukkaiden antaa heille mukaan hopeaa ja kultaa ja tavaraa ja karjaa sekä muita lahjoja Jerusalemiin rakennettavaa Herran temppeliä varten."
4Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.
5Matkaan varustautuivat Juudan ja Benjaminin sukukuntien päämiehet sekä papit ja leeviläiset, kaikki, joissa Jumala oli herättänyt halun lähteä rakentamaan Jerusalemiin Herran temppeliä.
5Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
6Ympäristön asukkaat antoivat heille hopeaa ja kultaa, tavaraa, karjaa ja kalleuksia, ja vielä muutakin heille lahjoitettiin.
6Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan'ireo tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny sitrapo.
7Persian kuningas Kyyros käski kantaa esiin Herran temppelin esineet, jotka Nebukadnessar oli tuonut mukanaan Jerusalemista ja asettanut oman jumalansa temppeliin.
7Dia navoak'i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon'i Jehovah, izay efa nalain'i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon'ireo andriamaniny.
8Kuningas antoi ne aarteidenvartija Mitredatille, ja tämä teki niistä luettelon Sesbassarille, Juudan ruhtinaalle.
8Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.
9Esineitä oli seuraavat määrät: kultaisia uhrimaljoja kolmekymmentä, hopeisia uhrimaljoja tuhat, muita uhriastioita kaksikymmentäyhdeksän,
9Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
10kultaisia pikareja kolmekymmentä, hopeisia pikareja neljäsataakymmenen ja muita astioita tuhat.
10kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.
11Kulta- ja hopeaesineitä oli yhteensä viisituhatta neljäsataa. Ne kaikki Sesbassar toi mukanaan, kun pakkosiirtolaiset palasivat Babyloniasta Jerusalemiin.
11efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.