1Nämä ovat ne Juudan maakunnan miehet, jotka Babylonian kuningas Nebukadnessar oli vienyt pakkosiirtolaisuuteen ja jotka nyt lähtivät matkalle takaisin Jerusalemiin ja Juudaan, kukin omaan kaupunkiinsa.
1[Ny anaran'ny Jiosy nentin'i Zerobabela nody] Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
2Heitä johtivat Serubbabel, Jesua, Nehemia, Seraja, Reelaja, Mordokai, Bilsan, Mispar, Bigvai, Rehum ja Baana. Näiden israelilaisten lukumäärä oli:
2dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
3Pareosin sukua 2172,
3Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
4Sefatjan sukua 372,
4ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
5Arahin sukua 775,
5ny taranak'i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato;
6Pahat-Moabin sukua, Jesuan ja Joabin jälkeläisiä, 2812,
6ny taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
7Elamin sukua 1254,
7ny taranak'i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
8Sattun sukua 945,
8ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
9Sakkain sukua 760,
9ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
10Banin sukua 642,
10ny taranak'i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;
11Bebain sukua 623,
11ny taranak'i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
12Asgadin sukua 1222,
12ny taranak'i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
13Adonikamin sukua 666,
13ny taranak'i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
14Bigvain sukua 2056,
14ny taranak'i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
15Adinin sukua 454,
15ny taranak'i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;
16Aterin sukua, Hiskian jälkeläisiä, 98,
16ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
17Besain sukua 323,
17ny taranak'i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato;
18Joran sukua 112,
18ny taranak'i Jora dia roa ambin'ny folo amby zato;
19Hasumin sukua 223,
19ny taranak'i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
20Gibbarin sukua 9.
20ny zanak'i Gibara dia dimy amby sivi-folo;
21Betlehemiläisiä oli 123,
21ny zanak'i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;
22netofalaisia 56,
22ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;
23anatotilaisia 128,
23ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
24asmavetilaisia 42,
24ny zanak'i Azmaveta dia roa amby efa-polo;
25kirjat-jearimilaisia, kefiralaisia ja beerotilaisia 743,
25ny zanak'i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
26ramalaisia ja gebalaisia 621,
26ny zanak'i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
27mikmasilaisia 122,
27ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
28beteliläisiä ja ailaisia 223,
28ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
29nebolaisia 52.
29ny zanak'i Nebo dia roa amby dimam-polo;
30Magbisin sukua oli 156,
30ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato;
31Elamin, sen toisen, sukua 1254,
31ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
32Harimin sukua 320.
32ny taranak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
33Lodilaisia, hadidilaisia ja onolaisia oli 725,
33ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;
34jerikolaisia 345,
34ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
35senaalaisia 3630.
35ny zanak'i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo.
36Pappeja oli: Jedajan sukua, Jesuan jälkeläisiä, 973,
36Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
37Immerin sukua 1052,
37ny taranak'Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;
38Pashurin sukua 1247,
38ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
39Harimin sukua 1017.
39ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
40Leeviläisiä oli: Jesuan sukua, Kadmielin, Binnuin ja Hodavjan jälkeläisiä, 74.
40Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny taranak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
41Laulajia oli: Asafin sukua 128.
41Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak'i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
42Portinvartijoita oli: Sallumin, Aterin, Talmonin, Akkubin, Hatitan ja Sobain sukua yhteensä 139.
42Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.
43Temppelipalvelijoita oli: Sihan, Hasufan, Tabbaotin,
43Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
44Kerosin, Siahan, Padonin,
44ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaha, ny taranak'i Padona,
45Lebanan, Hagaban, Akkubin,
45ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagabaha, ny taranak'i Akoba,
46Hagabin, Salmain, Hananin,
46ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, ny taranak'i Hanana,
47Giddelin, Gaharin, Reajan,
47ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara, ny taranak'i Reaia,
48Resinin, Nekodan, Gassamin,
48ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama,
49Ussan, Paseahin, Besain,
49ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay,
50Asnan, maonilaisten, nafusilaisten,
50ny taranak'i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
51Bakbukin, Hakufan, Harhurin,
51ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofa, ny taranak'i Harora,
52Baslutin, Mehidan, Harsan,
52ny taranak'i Bazlota, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
53Barkosin, Siseran, Temahin,
53ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
54Nesiahin ja Hatifan suvut.
54ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
55Salomon palvelijoiden jälkeläisiä oli: Sotain, Soferetin, Perudan,
55Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Peroda,
56Jaelan, Darkonin, Giddelin,
56ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
57Sefatjan, Hattilin, Pokeret-Sebaimin ja Amin suvut.
57ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amy.
58Temppelipalvelijoita ja Salomon palvelijoiden jälkeläisiä oli yhteensä 392.
58Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
59Seuraavat Tel-Melahista, Tel-Harsasta, Kerub- Addanista ja Immeristä lähteneet eivät pystyneet osoittamaan, että he ja heidän sukunsa olivat israelilaisia:
59Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):
60Delajan, Tobian ja Nekodan jälkeläiset, yhteensä 652.
60ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.
61Joukossa oli myös pappeja, nimittäin Hobajan, Kosin ja Barsillain jälkeläiset; Barsillai oli ottanut vaimokseen gileadilaisen Barsillain tyttären, ja häntä nimitettiin vaimonsa suvun mukaan.
61Ary ny avy tamin'ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Habaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany.
62Nämä etsivät sukuluetteloista merkintää itsestään, mutta sitä ei löytynyt, ja sen vuoksi heidät katsottiin pappeuteen kelpaamattomiksi.
62Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
63Käskynhaltija kielsi heitä nauttimasta pyhiä uhreja, kunnes ilmaantuisi pappi, joka voisi ratkaista asian urimilla ja tummimilla.
63Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
64Lähtijöitä oli kaikkiaan 42 360 henkeä.
64Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
65Lisäksi tulivat orjat ja orjattaret, joita oli 7337. Laulajia, miehiä ja naisia, oli 200.
65afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;
66Tällä joukolla oli hevosia 736, muuleja 245,
66ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
67kameleja 435 ja aaseja 6720.
67ny ramevany dia dimy amby telo -polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
68Tullessaan Jerusalemiin Herran temppelin paikalle monet sukujen päämiehet antoivat lahjoja temppeliä varten, jotta se voitaisiin pystyttää uudelleen entiselle paikalleen.
68Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.
69He antoivat rakentamista varten niin paljon kuin pystyivät, yhteensä 61 000 kultadrakmaa, 5000 hopeaminaa ja 100 papinpukua.
69Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.[Izahao 1 Tan. xxix. 7]Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.
70Sitten papit, leeviläiset ja osa kansaa asettuivat asumaan Jerusalemiin, mutta laulajat, portinvartijat ja temppelipalvelijat menivät omiin kaupunkeihinsa, samoin muut israelilaiset omiinsa.
70Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.