Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

1

1Salomon, Daavidin pojan, Israelin kuninkaan, sananlaskut.
1[Fitarihan-teny] Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
2Opettakoot ne viisautta, kasvattakoot ymmärtämään ymmärryksen sanat,
2Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;
3johdattakoot hyvään tietoon, oikeudentuntoon ja rehtiin mieleen.
3Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
4Kokemattomat saakoot niistä viisautta, nuoret tietoa ja harkintaa.
4Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.
5Viisaskin viisastuu, kun kuulee niitä, järkeväkin saa opastusta,
5Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
6oppii mietelmiä ja vertauksia, tajuaa viisaiden sanat, avaa arvoitukset.
6Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
7Herran pelko on tiedon perusta, vain hullu halveksii viisautta ja opetusta.
7Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.
8Poikani, kuule isäsi neuvoja, älä väheksy äitisi opetusta --
8Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
9ne ovat seppele hiuksillasi, ketju kaulaasi koristamassa.
9Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.
10Älä suostu, poikani, synnintekijöiden viekoituksiin,
10Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.
11kun he sanovat: "Tule mukaan, mennään väijyksiin, käydään vaanimaan viattomia.
11Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
12Niellään heidät elävältä, yhtenä suupalana, niin kuin hauta nielee terveen miehen.
12Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola]
13Kaikenlaiset kalleudet odottavat meitä, ryöstösaalis täyttää kohta varastomme.
13Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14Saat heittää siitä kanssamme arpaa, meidän kukkaromme on yhteinen."
14Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
15Heidän tielleen, poikani, älä lähde, pidä jalkasi poissa heidän poluiltaan,
15Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
16sillä he rientävät pahaa kohti, kiiruhtavat vuodattamaan verta.
16Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
17Ei lintu verkkoa näe, vaikka näkee sitä levitettävän.
17Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
18Oman verensä he väijyessään vaarantavat, omaa tuhoaan etsivät vaaniessaan.
18Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
19Sellainen on riistäjän tie. Joka sille lähtee, kulkee tuhoon.
19Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
20Viisaus huutaa kaduilla, antaa toreilla puheensa kaikua,
20[Fiantsoana sy fananarana ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
21meluisten katujen kulmissa se kutsuu, kuuluttaa asiansa markkinapaikoilla:
21Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
22"Kuinka kauan te tyhmät hellitte tyhmyyttänne, pitkäänkö, kerskujat, kerskutte, hullut vihaatte tietoa?
22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
23Kääntykää minun puoleeni, minä opetan teitä, saatan teidät tuntemaan opetukseni ja tietoni.
23Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24"Minä kutsuin teitä, mutta te ette siitä piitanneet, minä uhkasin teitä, eikä kukaan kavahtanut.
24Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25Yhtäkään neuvoani ette ole ottaneet varteen, opetukseni ei ole kelvannut teille.
25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
26Niinpä minä nauran, kun teidän käy huonosti, pilkkaan, kun tulee aika jota kauhistutte,
26Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
27kun pelko tulee yllenne kuin rajuilma ja onnettomuus iskee tuulispäänä, kun osaksenne tulee ahdinko ja vaiva.
27Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
28Silloin te huudatte minua, mutta minä en vastaa, etsitte minua, ettekä löydä.
28Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
29Te vihasitte tietoa, ette halunneet totella Herraa,
29Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
30te vähät välititte, kun teitä neuvoin, ette antaneet arvoa ohjeilleni.
30Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31Niinpä saatte syödä tekojenne hedelmät, niellä kurkun täydeltä juonianne.
31Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
32Uppiniskaisuus on tyhmälle tuhoksi, huolettomuuteensa hullu kuolee.
32Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
33Mutta joka minua kuulee, on turvassa, hänen ei tarvitse pelätä mitään pahaa."
33Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.