1Joka rakastaa tietoa, rakastaa kuria, tyhmä se, joka nuhteita vihaa.
1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
2Hyvä ihminen on Herralle mieleen, mutta juonittelijan hän tuomitsee.
2Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3Vääryyden varassa ei kukaan kestä, mutta vanhurskas on vankasti juurillaan.
3Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
4Kunnon vaimo on miehensä kruunu, kunnoton on kuin hivuttava tauti.
4Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.
5Hurskaiden aikeet ovat puhtaat, jumalattomilla on vilppi mielessä.
5Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
6Väärämielisen sanat ovat tappava loukku, oikeamielisen puhe on pelastukseksi.
6Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
7Jumalaton kaatuu, eikä mitään jää, mutta vanhurskaiden suku säilyy.
7Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.[Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy]
8Mitä viisaampi, sitä kiitetympi, tyhmyri kerää vain halveksuntaa.
8Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9Parempi elää vaatimattomasti ja palvelijatta kuin leveästi mutta leivättä.
9Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10Kunnon ihminen muistaa karjansa tarpeet, jumalaton ei sääliä tunne.
10Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
11Leivässä pysyy, joka pellollaan pysyy, mieletön se, joka tavoittelee tyhjää.
11Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.[Na: ny zava-poana]
12Jumalaton tavoittelee pahojen saalista, vanhurskas pysyy juurillaan.
12Ny mpanota maniry ny hazan'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona. [Na: ny fandriky][Na: Fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka]
13Joka pahoja puhuu, kaatuu omaan ansaansa, vanhurskas selviää ahdingosta.
13Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
14Puheistaan ihminen palkitaan, teot kiertyvät tekijänsä eteen.
14Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.
15Tyhmä pitää omaa tietään oikeana, viisas se, joka neuvoja kuulee.
15Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
16Tyhmä tuo heti julki suuttumuksensa, viisas nielee loukkauksen ja vaikenee.
16Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.
17Oikeutta auttaa, joka totta puhuu, valehtelija on vääryyden asialla.
17Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18Harkitsematon sana on kuin miekanpisto, viisaan puhe on lääkettä.
18Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.
19Totuuden sanat kestävät iäti, valheen sanat vain tuokion.
19Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
20Itsensä pettää, joka pahoja hautoo, iloita saa, joka hyviä neuvoja antaa.
20Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
21Hurskas on turvassa kaikelta pahalta, jumalaton suistuu onnettomuuksiin.
21Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy]
22Petollista puhetta Herra ei siedä, sanansa pitävä on hänelle mieleen.
22Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23Viisas ei kersku tiedoillaan, tyhmä kuuluttaa julki tyhmyytensä.
23Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.[Heb. manafina fahalalana]
24Ahkera päätyy päälliköksi, laiskuri toisten käskettäväksi.
24Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
25Huoli masentaa ihmismielen, hyvä sana sen ilahduttaa.
25Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26Hurskas pysyy kaukana pahasta, jumalattomien tie vie harhaan.
26Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27Veltto pyyntimies ei tavoita saalista, ahkeralle kertyy rikkauksia.
27Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay nohazainy]Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
28Vanhurskauden polku vie elämään, mutta monet kulkevat kuoleman tietä.
28Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.