Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

11

1Väärää vaakaa Herra vihaa, oikea punnus on hänelle mieleen.
1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
2Missä on ylpeys, sinne tulee häpeä, nöyrien kumppani on viisaus.
2Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
3Kunnon miestä ohjaa rehellisyys, omaan vilppiinsä kavala kaatuu.
3Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
4Rikkaus ei vihan päivänä auta, mutta oikeamielisyys pelastaa kuolemasta.
4Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.
5Nuhteettomuus tasoittaa hurskaiden tien, jumalaton sortuu pahuuteensa.
5Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany.
6Rehti elämä on rehellisen pelastus, himot ovat petturin paula.
6Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
7Kuolemaan katkeaa jumalattoman toivo, pahantekijän odotus raukeaa tyhjiin.
7Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy. [Na: mahery]
8Hurskas pelastuu ahdingosta, jumalaton joutuu hänen sijaansa.
8Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
9Rienaajan puhe on toisille turmioksi, mutta tieto pelastaa oikeamieliset.
9Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. [Na: ratsy fanahy][Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany]
10Hurskaan onni on kaupungin ilo, jumalattoman tuho on riemun aihe.
10Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
11Vilpittömien menestys rakentaa kaupungin, jumalattomien puheet repivät sen maahan.
11Ny fisaoran'ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.[Na: Ny fitahiana avy amin']
12Tyhmä se, joka toisia pilkkaa, ymmärtäväinen pysyy vaiti.
12Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
13Juorukellolta salaisuus karkaa, uskotulla ystävällä se on tallessa.
13Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
14Johtoa vailla kansa kulkee tuhoon, neuvonantajien viisaus tuo menestyksen.
14Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
15Pahoin käy sen, joka vierasta takaa, huolilta välttyy, joka kädenlyöntiä karttaa.
15Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16Naiselle tuo kauneus kunniaa, miehelle voima rikkautta.
16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
17Joka toisia auttaa, sitä autetaan, öykkäri vahingoittaa itseään.
17Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todin'ny halozany.
18Jumalattoman voitto on pettävää. Joka vanhurskautta kylvää, saa pysyvän palkan.
18Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
19Oikeamielinen tavoittaa elämän. Joka pahaa etsii, etsii kuolemaa.
19Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana.
20Väärämielistä Herra kammoksuu, nuhteetonta hän rakastaa.
20Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
21Totisesti, paha ei rankaisua vältä, mutta vanhurskaan suku pelastuu.
21Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.[Na: Azo ifandraisan-tanana fa; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
22Kultarengas sian kärsässä: kaunis nainen vailla ymmärrystä.
22Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.[Na: efa niala tamin'ny fahendrena]
23Hyvien toiveista koituu hyvää, pahojen halusta versoo vihaa.
23Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy.
24Antelias antaa ja rikastuu yhä, saituri kitsastelee ja köyhtyy.
24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.[Heb. mamafy][Na: mihazona ny hareny]
25Joka toisia ruokkii, syö itse kyllin, joka tarjoaa vettä, saa itse juoda.
25Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa]
26Joka aittansa sulkee, sitä kansa kiroaa, jonka vilja on kaupan, sitä kiitetään.
26Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
27Joka etsii hyvää, löytää onnen, joka pahaan pyrkii, sen pahoin käy.
27Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany.
28Tuhoon kulkee, joka rikkauteensa turvaa, mutta hurskaat ovat kuin vihannat lehvät.
28Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
29Taivasalle jää, joka ei talostaan piittaa, viisaan orjaksi tyhmyri päätyy.
29Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry.
30Hurskaudesta kasvaa elämän puu, viisaan sanat otetaan vastaan.
30Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
31Hurskas saa palkkansa jo maan päällä, saati sitten jumalaton ja syntinen.
31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!