Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

10

1Salomon sananlaskut. Viisas poika on isänsä ilo, tyhmä poika on äitinsä murhe.
1[Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny valin'ny ataony avy] Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2Väärintekijää eivät hänen aarteensa auta, mutta oikeamielisyys pelastaa kuolemasta.
2Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.
3Nuhteetonta Herra varjelee nälältä, mutta jumalattoman haluja hän ei täytä.
3Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy.
4Köyhyys seuraa kättä, joka työtä karttaa, toimeliaat kädet tuovat rikkauden.
4Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
5Viisas se, joka kesällä kerää, häpeä sille, joka korjuuaikana makaa.
5Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
6Hurskaalla on päänsä päällä siunaus, jumalattoman suussa piilee väkivalta.
6Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na: Fa manaron-doza]
7Vanhurskaan muistoa siunataan, jumalattoman nimikin maatuu.
7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.
8Ymmärtäväinen ottaa ohjeet varteen, mutta mieletön etsii tuhoaan.
8Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
9Turvassa kulkee, joka vilpittä kulkee, joka poikkeaa polulta, ei salassa pysy.
9Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10Kavala silmänisku tuo tuskaa, ja mieletön puhe vie tuhoon.
10Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11Vanhurskaan suu on elämän lähde, jumalattoman suussa piilee väkivalta.
11Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. [Izahao and. 6]
12Viha ajaa ihmiset toisiaan vastaan, rakkaus peittää paljotkin rikkomukset.
12Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13Järkevän huulilta lähtevät viisauden sanat, tyhmyrin selässä soikoon keppi!
13Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.
14Viisas panee tiedon visusti talteen, mutta vahinko on valmis, kun hullu puhuu.
14Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.
15Omaisuus on rikkaalle vahva varustus, puute murentaa köyhän majan.
15Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.
16Mitä vanhurskas ansaitsee, on elämäksi, mitä jumalaton hankkii, koituu synniksi.
16Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
17Joka taipuu kuriin, vaeltaa elämän tietä, nuhteista piittaamaton kulkee harhaan.
17Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
18Joka vihansa salaa, se valheita puhuu, hullu se, joka panettelee ja parjaa.
18Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19Paljossa puheessa vaanii synti, viisas se, joka kielensä hillitsee.
19Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20Hurskaan puhe on puhtainta hopeaa, jumalattoman ajatus ei paljoa paina.
20Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21Hurskaan sanat ruokkivat monia, tyhmät nääntyvät ymmärryksen puutteeseen.
21Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22Herran siunaus menestyksen antaa, omin voimin sitä ei lisätä.
22Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.[Na: Ary tsy ampiany alahelo]
23Ilkityöt ovat hullun huvi, järkevä saa ilonsa viisaudesta.
23Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa. [Na: Toa laolaon'ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]
24Mitä jumalaton pelkää, siihen hän törmää, mitä hurskas toivoo, se hänelle annetaan.
24Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.
25Myrskyn mentyä jumalaton on poissa, mutta vanhurskaalla on kestävä perusta.
25Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
26Mitä etikka hampaille ja savu silmille, sitä on laiskuri isännälleen.
26Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.
27Herran pelko kartuttaa elinpäiviä, jumalattomalta vuodet hupenevat.
27Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.
28Hurskaan odotus johtaa iloon, jumalattoman toivo pettää.
28Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
29Herra on viattoman vahva linna, mutta väärintekijän hän murskaa.
29Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
30Oikeamielinen ei ikinä horju, mutta jumalattomalla ei ole missään turvaa.
30Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.
31Vanhurskaan suusta viisaus versoo, mutta myrkyllinen kieli leikataan poikki.
31Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
32Hurskaan sanat ovat rakkauden sanoja, jumalattoman puhe valhetta ja vimmaa.
32Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.