Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

24

1Älä kadehdi pahoja ihmisiä, älä tavoittele heidän seuraansa,
1Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
2sillä heillä on mielessään tuhoisat aikeet, heidän puheensa saa aikaan pelkkää pahaa.
2Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.
3Viisaudella talo rakennetaan, ymmärrys on sen perustus,
3Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
4tieto ja taito täyttävät sen huoneet kalleuksilla ja kaikella kauniilla.
4Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5Viisaus on väkevyyttä, kokemus tuo voimaa.
5Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
6Viisas suunnitelma auttaa sodassa, hyvät neuvonantajat tuovat menestyksen.
6Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
7Koskapa tyhmä olisi tilanteen tasalla! Pysyköön siis neuvonpidossa vaiti.
7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.[Na: Ataon'ny adala ho haingohaingo foana ny fahendrena]
8Joka aina punoo juonia, saa vehkeilijän nimen.
8Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9Mielettömän ajatukset täyttää synti, herjaajaa jokainen kammoksuu.
9Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
10Annatko periksi ahdingon tullen? Vähätpä ovat voimasi.
10Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
11Mene väliin, kun syytöntä viedään surmattavaksi, riennä apuun, kun hän hoippuu teloituspaikalle.
11Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
12Älä selitä: "Enhän tunne koko asiaa", sillä sydänten tutkijaa sinä et petä. Hän valvoo sinua ja tuntee sinut, hän maksaa jokaiselle tekojen mukaan.
12Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.[Na: io]
13Syö, poikani, hunajaa, se on hyvää, ja mesi on makeaa kielelläsi.
13Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;[Heb.lanilaninao]
14Yhtä lailla on viisaus sinulle hyväksi: kun löydät sen, sinulla on tulevaisuus, toivosi ei raukea tyhjiin.
14Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
15Älä väijy, jumalaton, hurskaan majaa, älä tuhoa hänen kotiaan.
15Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
16Vaikka hurskas seitsemästi kaatuisi, hän nousee jälleen, mutta jumalaton sortuu onnettomuuteensa.
16Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.[Na: ka idiran-doza]
17Kun vihamiehesi kaatuu, älä iloitse, kun hän kompastuu, älä riemuitse,
17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
18ettei Herra sen nähdessään suuttuisi sinuun ja kääntäisi vihaansa hänestä pois.
18Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
19Älä kiivastu pahantekijöille, älä kadehdi jumalattomia,
19Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20sillä pahoilla ei ole tulevaisuutta ja jumalattoman lamppu sammuu.
20Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.[Heb. farany]
21Pelkää Herraa, poikani, ja kuningasta. Vältä niitä, jotka hankkivat kapinaa,
21Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;[Na: hafa saina noho izany]
22sillä yhdessä hetkessä he kukistuvat. Millainen onkaan heidän rangaistuksensa!
22Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny? [Heb. taonany]
23Nämäkin ovat viisaiden sanoja. Ei sovi tuomarille puolueellisuus.
23Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24Joka syylliselle sanoo: "Olet syytön", saa kaikkien kirot, koko kansan vihat.
24Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
25Toisin käy sen, joka tuomitsee oikein: hänen osanaan on siunaus ja menestys.
25Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
26Kuin suudelma suulle on suora vastaus.
26Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.
27Tee ensin tilustesi työt, pane ensiksi peltosi kuntoon, vasta sitten on talon ja perheen vuoro.
27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
28Älä todista toisesta väärin -- ethän tahdo pettää ketään puheellasi?
28Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?
29Älä ajattele: "Niin kuin hän minulle, niin minä hänelle. Nyt maksan hänelle samalla mitalla."
29Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
30Minä kuljin laiskurin pellon laitaa, katselin typeryksen viinitarhaa,
30Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
31ja mitä näinkään: pelkkiä nokkosia, tarhan, jossa rehottivat ohdakkeet ja jonka kiviaita oli luhistunut.
31Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
32Minä katsoin ja painoin mieleeni, otin opikseni siitä minkä näin.
32Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
33Nuku vielä hiukan, torku hiukan, makaa kädet ristissä vielä hetki,
33Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
34niin köyhyys käy päällesi kuin rosvo, puute niin kuin röyhkeä kulkuri.
34Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.