Pyhä Raamattu

Malagasy

Proverbs

27

1Huomispäivästä älä kersku, ethän tiedä, mitä se tuo tullessaan.
1Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
2Kiittäköön sinua toinen, ei oma suusi, vieras, ei oma kielesi.
2Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
3Raskas on hiekka ja painava kivi, raskainta typeryksen tuottama harmi.
3Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
4Raivo on raakaa, viha kuin tulva, mutta kuka mustasukkaisuuden torjuu?
4Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro?
5Parempi nuhdella avoimesti kuin vaieta rakkauden nimissä.
5Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
6Rakastavan lyöntikin on rakkautta, vihamiehen suudelmakin pelkkää vihaa.
6Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.
7Kylläinen halveksii hunajaakin, nälkäiselle karvaskin on makeaa.
7Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
8Kuin lintu, joka jättää pesänsä, on ihminen, joka lähtee omilta mailtaan.
8Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany.
9Öljy ja suitsuke ilahduttavat mielen, ystävän rakkaus on kuin tuoksuva puu.
9Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony.
10Älä hylkää ystävääsi, älä isäsi ystävää. Kun joudut pulaan, älä oitis mene veljesi luo. Parempi läheinen naapuri kuin kaukainen veli.
10Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11Toimi viisaasti, poikani, isäsi iloksi: sinä olet paras vastaus solvaajilleni.
11Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12Kun onnettomuus uhkaa, viisas väistää, tyhmä kulkee kohti ja saa kolhut.
12Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13Jos joku vierasta takaa, ota häneltä viitta ja pidä se panttina vierasta varten.
13Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.
14Jos joku heti aamulla vuolaasti sinua siunaa, sen siunauksen takana voi olla kirous.
14Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
15Kuin katonraosta sateella tippuva vesi, sellainen on nalkuttava vaimo.
15Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
16Helpompi pidätellä tuulta kuin häntä, kuin öljy hän lipeää otteestasi.
16Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.[Na: mihatra amin'ny]
17Rauta rautaa hioo, ihminen hioo ihmistä.
17Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
18Joka viikunapuutaan hoitaa, se viikunoita syö, joka herraansa hyvin palvelee, saa siitä kunniaa.
18Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
19Veden kalvossa näet kasvosi, lähimmäisessä näet sydämesi.
19Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
20Nälkäisenä ammottaa tuonelan kita, kyltymättä himoitsevat ihmisen silmät.
20Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.[Heb. Sheola]
21Hopealle sulatin, kullalle uuni, ihmisen mittana kiitos ja moite.
21Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
22Survo hullua huhmaressa, survimella kivien seassa: ei erkane hänestä hänen hulluutensa.
22Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23Pidä hyvää huolta lampaistasi, valvo, miten vuohikarjasi voi,
23Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;
24sillä rikkaus ei kestä ikuisesti eikä valta säily polvesta polveen.
24Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
25Kun heinä on korjattu ja odelma nousee, kun vuorilta on koottu vihanta ruoho,
25Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
26silloin ostat karitsoilla itsellesi vaatteet, myyt pukit ja hankit uuden pellon,
26Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.
27silloin saat kyllälti vuohenmaitoa, sillä ravitset koko perheesi, siitä saavat ravintonsa orjattaresi.
27Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao.