1Jumalaton pakenee, vaikka kukaan ei aja takaa, mutta vanhurskas on turvassa kuin leijona.
1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
2Kun maassa on kapinoita, hallitsijat vaihtuvat, mutta kyvykäs mies vakiinnuttaa vallan.
2Ny fahotan'ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana. [Na: fikomian'][Na: manan-tsaina sady mahalala rariny][Na: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana]
3Köyhä, joka toista köyhää sortaa, on kuin sade, joka vie mullan ja siemenet.
3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
4Laista piittaamaton puolustaa jumalattomia. Joka noudattaa lakia, vastustaa heitä.
4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.
5Paha ihminen ei erota oikeaa väärästä. Joka Herraa etsii, näkee asiat oikein.
5Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
6Parempi köyhyys ja rehellinen elämä kuin rikkaus ja vaellus väärillä teillä.
6Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika.
7Viisas se poika, joka opetukset muistaa, isänsä häpäisee, joka irstailuissa kulkee.
7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
8Joka korkoa kiskoo ja rahaa kahmii, kokoaakin sille, joka muistaa köyhää.
8Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo
9Joka sulkee korvansa Herran lailta, sen rukouskin on Herralle kauhistus.
9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
10Joka suoran tien kulkijaa viettelee väärään, putoaa omaan kuoppaansa, mutta nuhteeton saa kyllälti hyvää.
10Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
11Rikas luulottelee olevansa viisas, mutta köyhä, jolla on ymmärrystä, näkee hänen lävitseen.
11Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
12Kun vanhurskaat vallitsevat, kansa iloitsee, kun pahat saavat vallan, kaikki kätkeytyvät.
12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.[Na. mitsangana]
13Joka rikkomuksensa salaa, ei menesty, joka ne tunnustaa ja hylkää, saa armon.
13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
14Hyvin käy sen, joka tuntee pyhää pelkoa, tuhoon kulkee se, joka kovettaa sydämensä.
14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
15Kuin ärisevä leijona, kuin äkeä karhu on jumalaton hallitsija köyhille.
15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.
16Lyhytnäköinen se ruhtinas, joka riistää kansaa, pitkäikäinen se, joka väärää voittoa vihaa.
16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
17Murhamies on pakolainen kuolemaansa saakka, älä pidättele häntä hänen paetessaan.
17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
18Joka vakaasti kulkee, välttää vaarat, joka poikkeaa tieltä, kompastuu ja kaatuu.
18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
19Leivässä pysyy, joka pellollaan pysyy, joka tavoittelee tyhjää, pysyy köyhänä.
19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.[Na: zava-poana]
20Luotettavan miehen toimissa on siunaus. Joka rikkautta rohmuaa, ei rangaistusta vältä.
20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
21Puolueellisuus on pahasta, mutta moni tekee väärin jo leipäpalan tähden.
21Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.
22Ahne juoksee rahan ja tavaran perässä eikä huomaa, että köyhyys on jo kintereillä.
22Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
23Oikaise toista, ja hän arvostaa sinua enemmän kuin sitä, joka mielistelee.
23Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
24Joka vanhempiaan surutta riistää, ei ole ryöstäjää parempi.
24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman'ny mpanimba.
25Ahneus saa aikaan riitaa, Herraan luottava menestyy.
25Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.[Na: miavonavona am-po]
26Mieletön se, joka itseensä turvaa, joka viisautta seuraa, se menestyy.
26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.
27Joka köyhiä auttaa, ei puutetta koe, mutta katseensa kovettavaa kirotaan.
27Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]
28Kun pahat saavat vallan, kaikki kätkeytyvät, kun he tuhoutuvat, koittaa vanhurskaiden aika.
28Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]