Pyhä Raamattu

Malagasy

Psalms

24

1Daavidin psalmi. Herran on maa ja kaikki mitä siinä on, maanpiiri ja ne jotka siinä asuvat.
1[Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
2Hän on sen perustanut merien päälle, kiinnittänyt lujasti virtojen ylle.
2Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
3Kuka saa nousta Herran vuorelle, kuka astua pyhään paikkaan?
3Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?
4Se, jolla on viattomat kädet ja puhdas sydän, joka ei valheellisesti vetoa Herraan eikä vanno väärää valaa.
4Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.
5Hänelle Herra suo siunauksensa, pelastuksen Jumala katsoo hänet vanhurskaaksi.
5Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.
6Tässä me olemme, kansa joka pyrkii luoksesi, joka etsii kasvojasi, Jaakobin Jumala! (sela)
6Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba]
7Kohotkaa korkeiksi, portit, avartukaa, ikiaikaiset ovet! Kirkkauden kuningas tulee.
7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay]
8Kuka on kirkkauden kuningas? Hän on Herra, väkevä ja voimallinen. Hän on Herra, voiton sankari.
8Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
9Kohotkaa korkeiksi, portit, avartukaa, ikiaikaiset ovet! Kirkkauden kuningas tulee.
9Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
10Kuka on kirkkauden kuningas? Kirkkauden kuningas on Herra Sebaot! (sela)
10Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.