1Mooseksen, Jumalan miehen, rukous. Herra, sinä olet meidän turvamme polvesta polveen.
1[BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
2Jo ennen kuin vuoret syntyivät, ennen kuin maa ja maanpiiri saivat alkunsa, sinä olit. Jumala, ajasta aikaan sinä olet.
2Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
3Sinä annat ihmisten tulla maaksi jälleen ja sanot: "Palatkaa tomuun, Aadamin lapset."
3Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana]
4Tuhat vuotta on sinulle kuin yksi päivä, kuin eilinen päivä, mailleen mennyt, kuin öinen vartiohetki.
4Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
5Me katoamme kuin uni aamun tullen, kuin ruoho, joka hetken kukoistaa,
5Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
6joka vielä aamulla viheriöi mutta illaksi kuivuu ja kuihtuu pois.
6Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny kolokolon'ahitra izy]
7Sinun vihasi musertaa meidät, kiivautesi saa meidät järkkymään.
7Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
8Sinä otat syntimme silmiesi eteen, salaisetkin synnit sinä paljastat katseellasi.
8Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
9Vihasi alla meidän päivämme vaipuvat, vuotemme haihtuvat kuin henkäys.
9Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
10Seitsemänkymmentä on vuosiemme määrä, tai kahdeksankymmentä, jos voimamme kestää. Ja kaikki niiden meno on vain turhuutta ja vaivaa, ne kiitävät ohitse, ja me lennämme pois.
10Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
11Kuka tuntee vihasi koko ankaruuden? Kuka kylliksi pelkää sinun kiivauttasi?
11Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
12Opeta meille, miten lyhyt on aikamme, että saisimme viisaan sydämen.
12Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
13Herra, käänny jo puoleemme. Kuinka kauan vielä viivyt? Armahda meitä, palvelijoitasi!
13Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.
14Ravitse meitä armollasi joka aamu, niin voimme iloita elämämme päivistä.
14Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.
15Niin kuin annoit murheen, anna meille ilo yhtä monena vuotena kuin vaivamme kesti.
15Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
16Anna palvelijoittesi nähdä suuret tekosi, anna lastemme nähdä kunniasi loisto.
16Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
17Herra, meidän Jumalamme, ole lempeä meille, anna töillemme menestys, siunaa kättemme työt.
17Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.