1Se, joka asuu Korkeimman suojassa ja yöpyy Kaikkivaltiaan varjossa,
1[Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
2sanoo näin: "Sinä, Herra, olet linnani ja turvapaikkani. Jumalani, sinuun minä turvaan."
2Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
3Herra pelastaa sinut linnustajan ansasta ja pahan sanan vallasta.
3Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
4Hän levittää siipensä yllesi, ja sinä olet turvassa niiden alla. Hänen uskollisuutensa on sinulle muuri ja kilpi.
4Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
5Et pelkää yön kauhuja etkä päivällä lentävää nuolta,
5Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
6et ruttoa, joka liikkuu pimeässä, et tautia, joka riehuu keskellä päivää.
6Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.
7Vaikka viereltäsi kaatuisi tuhat miestä ja ympäriltäsi kymmenentuhatta, sinä säästyt.
7Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
8Saat omin silmin nähdä, miten kosto kohtaa jumalattomia.
8Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
9Sinun turvanasi on Herra, sinun kotisi on Korkeimman suojassa.
9Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
10Onnettomuus ei sinuun iske, mikään vitsaus ei uhkaa sinun majaasi.
10Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
11Hän antaa enkeleilleen käskyn varjella sinua, missä ikinä kuljet,
11Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
12ja he kantavat sinua käsillään, ettet loukkaa jalkaasi kiveen.
12Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
13Sinä poljet jalkoihisi leijonan ja kyyn, tallaat maahan jalopeuran ja lohikäärmeen.
13Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
14Herra sanoo: "Minä pelastan hänet, koska hän turvaa minuun. Hän tunnustaa minun nimeäni, siksi suojelen häntä.
14Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
15Kun hän huutaa minua, minä vastaan. Minä olen hänen tukenaan ahdingossa, pelastan hänet ja nostan taas kunniaan.
15Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
16Minä annan hänelle kyllälti elinpäiviä, hän saa nähdä, että minä autan häntä."
16Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.