1De David. Rends-moi justice, Eternel! car je marche dans l'intégrité, Je me confie en l'Eternel, je ne chancelle pas.
1[Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
2Sonde-moi, Eternel! éprouve-moi, Fais passer au creuset mes reins et mon coeur;
2Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3Car ta grâce est devant mes yeux, Et je marche dans ta vérité.
3Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4Je ne m'assieds pas avec les hommes faux, Je ne vais pas avec les gens dissimulés;
4Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5Je hais l'assemblée de ceux qui font le mal, Je ne m'assieds pas avec les méchants.
5Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6Je lave mes mains dans l'innocence, Et je vais autour de ton autel, ô Eternel!
6Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7Pour éclater en actions de grâces, Et raconter toutes tes merveilles.
7Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8Eternel! j'aime le séjour de ta maison, Le lieu où ta gloire habite.
8Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
9N'enlève pas mon âme avec les pécheurs, Ma vie avec les hommes de sang,
9Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10Dont les mains sont criminelles Et la droite pleine de présents!
10Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11Moi, je marche dans l'intégrité; Délivre-moi et aie pitié de moi!
11Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
12Mon pied est ferme dans la droiture: Je bénirai l'Eternel dans les assemblées.
12Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.