1Prière de David. Eternel, prête l'oreille, exauce-moi! Car je suis malheureux et indigent.
1[Vavaka nataon'ny mpanompon'Andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
2Garde mon âme, car je suis pieux! Mon Dieu, sauve ton serviteur qui se confie en toi!
2Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
3Aie pitié de moi, Seigneur! Car je crie à toi tout le jour.
3Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
4Réjouis l'âme de ton serviteur, Car à toi, Seigneur, j'élève mon âme.
4Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
5Car tu es bon, Seigneur, tu pardonnes, Tu es plein d'amour pour tous ceux qui t'invoquent.
5Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
6Eternel, prête l'oreille à ma prière, Sois attentif à la voix de mes supplications!
6Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.
7Je t'invoque au jour de ma détresse, Car tu m'exauces.
7Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
8Nul n'est comme toi parmi les dieux, Seigneur, Et rien ne ressemble à tes oeuvres.
8Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
9Toutes les nations que tu as faites viendront Se prosterner devant ta face, Seigneur, Et rendre gloire à ton nom.
9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
10Car tu es grand, et tu opères des prodiges; Toi seul, tu es Dieu.
10Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
11Enseigne-moi tes voies, ô Eternel! Je marcherai dans ta fidélité. Dispose mon coeur à la crainte de ton nom.
11Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
12Je te louerai de tout mon coeur, Seigneur, mon Dieu! Et je glorifierai ton nom à perpétuité.
12Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
13Car ta bonté est grande envers moi, Et tu délivres mon âme du séjour profond des morts.
13Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.[Heb. Shoela]
14O Dieu! des orgueilleux se sont levés contre moi, Une troupe d'hommes violents en veulent à ma vie; Ils ne portent pas leurs pensées sur toi.
14Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
15Mais toi, Seigneur, tu es un Dieu miséricordieux et compatissant, Lent à la colère, riche en bonté et en fidélité;
15Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
16Tourne vers moi les regards et aie pitié de moi, Donne la force à ton serviteur, Et sauve le fils de ta servante!
16Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
17Opère un signe en ma faveur! Que mes ennemis le voient et soient confus! Car tu me secours et tu me consoles, ô Eternel!
17Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.