1Celui qui demeure sous l'abri du Très-Haut Repose à l'ombre du Tout Puissant.
1[Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
2Je dis à l'Eternel: Mon refuge et ma forteresse, Mon Dieu en qui je me confie!
2Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
3Car c'est lui qui te délivre du filet de l'oiseleur, De la peste et de ses ravages.
3Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
4Il te couvrira de ses plumes, Et tu trouveras un refuge sous ses ailes; Sa fidélité est un bouclier et une cuirasse.
4Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
5Tu ne craindras ni les terreurs de la nuit, Ni la flèche qui vole de jour,
5Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
6Ni la peste qui marche dans les ténèbres, Ni la contagion qui frappe en plein midi.
6Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.
7Que mille tombent à ton côté, Et dix mille à ta droite, Tu ne seras pas atteint;
7Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
8De tes yeux seulement tu regarderas, Et tu verras la rétribution des méchants.
8Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
9Car tu es mon refuge, ô Eternel! Tu fais du Très-Haut ta retraite.
9Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
10Aucun malheur ne t'arrivera, Aucun fléau n'approchera de ta tente.
10Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
11Car il ordonnera à ses anges De te garder dans toutes tes voies;
11Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
12Ils te porteront sur les mains, De peur que ton pied ne heurte contre une pierre.
12Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
13Tu marcheras sur le lion et sur l'aspic, Tu fouleras le lionceau et le dragon.
13Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
14Puisqu'il m'aime, je le délivrerai; Je le protégerai, puisqu'il connaît mon nom.
14Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
15Il m'invoquera, et je lui répondrai; Je serai avec lui dans la détresse, Je le délivrerai et je le glorifierai.
15Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
16Je le rassasierai de longs jours, Et je lui ferai voir mon salut.
16Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.