1Psaume. Cantique pour le jour du sabbat. Il est beau de louer l'Eternel, Et de célébrer ton nom, ô Très-Haut!
1[Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2D'annoncer le matin ta bonté, Et ta fidélité pendant les nuits,
2Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
3Sur l'instrument à dix cordes et sur le luth, Aux sons de la harpe.
3Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga.
4Tu me réjouis par tes oeuvres, ô Eternel! Et je chante avec allégresse l'ouvrage de tes mains.
4Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.
5Que tes oeuvres sont grandes, ô Eternel! Que tes pensées sont profondes!
5Jehovah ô, akory ny halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
6L'homme stupide n'y connaît rien, Et l'insensé n'y prend point garde.
6Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
7Si les méchants croissent comme l'herbe, Si tous ceux qui font le mal fleurissent, C'est pour être anéantis à jamais.
7Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
8Mais toi, tu es le Très-Haut, A perpétuité, ô Eternel!
8Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
9Car voici, tes ennemis, ô Eternel! Car voici, tes ennemis périssent; Tous ceux qui font le mal sont dispersés.
9Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
10Et tu me donnes la force du buffle; Je suis arrosé avec une huile fraîche.
10Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an'ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
11Mon oeil se plaît à contempler mes ennemis, Et mon oreille à entendre mes méchants adversaires.
11Ary faly ny masoko mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
12Les justes croissent comme le palmier, Ils s'élèvent comme le cèdre du Liban.
12Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy; [palma][Heb. Ho tonga lehibe]
13Plantés dans la maison de l'Eternel, Ils prospèrent dans les parvis de notre Dieu;
13Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika;
14Ils portent encore des fruits dans la vieillesse, Ils sont pleins de sève et verdoyants,
14Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
15Pour faire connaître que l'Eternel est juste. Il est mon rocher, et il n'y a point en lui d'iniquité.
15Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.