Hebrew: Modern

Malagasy

Deuteronomy

1

1אלה הדברים אשר דבר משה אל כל ישראל בעבר הירדן במדבר בערבה מול סוף בין פארן ובין תפל ולבן וחצרת ודי זהב׃
1[Teny nataon'i Mosesy ho fampahatsiarovana ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely sy ny nitondrany azy hatrany Horeba ka hatrany an-dafy atsinanan'i Jordana] IZAO no teny izay nolazain'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra tany an-dafin'i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin'ny tani-hay tandrifin'i Sofa, tanelanelan'i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
2אחד עשר יום מחרב דרך הר שעיר עד קדש ברנע׃
2(lalana Iraika ambin'ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seira no aleha.)
3ויהי בארבעים שנה בעשתי עשר חדש באחד לחדש דבר משה אל בני ישראל ככל אשר צוה יהוה אתו אלהם׃
3Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo tamin'ny taona fahefa-polo dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy holazainy aminy,
4אחרי הכתו את סיחן מלך האמרי אשר יושב בחשבון ואת עוג מלך הבשן אשר יושב בעשתרת באדרעי׃
4rehefa namono an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
5בעבר הירדן בארץ מואב הואיל משה באר את התורה הזאת לאמר׃
5Tany an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany Moaba, no nanombohan'i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
6יהוה אלהינו דבר אלינו בחרב לאמר רב לכם שבת בהר הזה׃
6Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity;
7פנו וסעו לכם ובאו הר האמרי ואל כל שכניו בערבה בהר ובשפלה ובנגב ובחוף הים ארץ הכנעני והלבנון עד הנהר הגדל נהר פרת׃
7mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8ראה נתתי לפניכם את הארץ באו ורשו את הארץ אשר נשבע יהוה לאבתיכם לאברהם ליצחק וליעקב לתת להם ולזרעם אחריהם׃
8Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
9ואמר אלכם בעת ההוא לאמר לא אוכל לבדי שאת אתכם׃
9Ary niteny taminareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
10יהוה אלהיכם הרבה אתכם והנכם היום ככוכבי השמים לרב׃
10Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra ianareo izao.
11יהוה אלהי אבותכם יסף עליכם ככם אלף פעמים ויברך אתכם כאשר דבר לכם׃
11(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
12איכה אשא לבדי טרחכם ומשאכם וריבכם׃
12Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
13הבו לכם אנשים חכמים ונבנים וידעים לשבטיכם ואשימם בראשיכם׃
13Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
14ותענו אתי ותאמרו טוב הדבר אשר דברת לעשות׃
14Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
15ואקח את ראשי שבטיכם אנשים חכמים וידעים ואתן אתם ראשים עליכם שרי אלפים ושרי מאות ושרי חמשים ושרי עשרת ושטרים לשבטיכם׃
15Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.
16ואצוה את שפטיכם בעת ההוא לאמר שמע בין אחיכם ושפטתם צדק בין איש ובין אחיו ובין גרו׃
16Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
17לא תכירו פנים במשפט כקטן כגדל תשמעון לא תגורו מפני איש כי המשפט לאלהים הוא והדבר אשר יקשה מכם תקרבון אלי ושמעתיו׃
17Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
18ואצוה אתכם בעת ההוא את כל הדברים אשר תעשון׃
18Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.
19ונסע מחרב ונלך את כל המדבר הגדול והנורא ההוא אשר ראיתם דרך הר האמרי כאשר צוה יהוה אלהינו אתנו ונבא עד קדש ברנע׃
19Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
20ואמר אלכם באתם עד הר האמרי אשר יהוה אלהינו נתן לנו׃
20Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
21ראה נתן יהוה אלהיך לפניך את הארץ עלה רש כאשר דבר יהוה אלהי אבתיך לך אל תירא ואל תחת׃
21indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
22ותקרבון אלי כלכם ותאמרו נשלחה אנשים לפנינו ויחפרו לנו את הארץ וישבו אתנו דבר את הדרך אשר נעלה בה ואת הערים אשר נבא אליהן׃
22Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
23וייטב בעיני הדבר ואקח מכם שנים עשר אנשים איש אחד לשבט׃
23Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
24ויפנו ויעלו ההרה ויבאו עד נחל אשכל וירגלו אתה׃
24ary niainga ireo ka niakatra tany amin'ny tany havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
25ויקחו בידם מפרי הארץ ויורדו אלינו וישבו אתנו דבר ויאמרו טובה הארץ אשר יהוה אלהינו נתן לנו׃
25dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
26ולא אביתם לעלת ותמרו את פי יהוה אלהיכם׃
26Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
27ותרגנו באהליכם ותאמרו בשנאת יהוה אתנו הוציאנו מארץ מצרים לתת אתנו ביד האמרי להשמידנו׃
27Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.
28אנה אנחנו עלים אחינו המסו את לבבנו לאמר עם גדול ורם ממנו ערים גדלת ובצורת בשמים וגם בני ענקים ראינו שם׃
28Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
29ואמר אלכם לא תערצון ולא תיראון מהם׃
29Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
30יהוה אלהיכם ההלך לפניכם הוא ילחם לכם ככל אשר עשה אתכם במצרים לעיניכם׃
30Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
31ובמדבר אשר ראית אשר נשאך יהוה אלהיך כאשר ישא איש את בנו בכל הדרך אשר הלכתם עד באכם עד המקום הזה׃
31ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.
32ובדבר הזה אינכם מאמינם ביהוה אלהיכם׃
32Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
33ההלך לפניכם בדרך לתור לכם מקום לחנתכם באש לילה לראתכם בדרך אשר תלכו בה ובענן יומם׃
33Izay nandeha tamin'ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
34וישמע יהוה את קול דבריכם ויקצף וישבע לאמר׃
34Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
35אם יראה איש באנשים האלה הדור הרע הזה את הארץ הטובה אשר נשבעתי לתת לאבתיכם׃
35Tsy hisy olona mihitsy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
36זולתי כלב בן יפנה הוא יראנה ולו אתן את הארץ אשר דרך בה ולבניו יען אשר מלא אחרי יהוה׃
36afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy.
37גם בי התאנף יהוה בגללכם לאמר גם אתה לא תבא שם׃
37Ary izaho koa dia notezeran'i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
38יהושע בן נון העמד לפניך הוא יבא שמה אתו חזק כי הוא ינחלנה את ישראל׃
38fa Josoa, zanak'i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak'Isiraely ny tany.
39וטפכם אשר אמרתם לבז יהיה ובניכם אשר לא ידעו היום טוב ורע המה יבאו שמה ולהם אתננה והם יירשוה׃
39Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
40ואתם פנו לכם וסעו המדברה דרך ים סוף׃
40Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
41ותענו ותאמרו אלי חטאנו ליהוה אנחנו נעלה ונלחמנו ככל אשר צונו יהוה אלהינו ותחגרו איש את כלי מלחמתו ותהינו לעלת ההרה׃
41Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
42ויאמר יהוה אלי אמר להם לא תעלו ולא תלחמו כי אינני בקרבכם ולא תנגפו לפני איביכם׃
42Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
43ואדבר אליכם ולא שמעתם ותמרו את פי יהוה ותזדו ותעלו ההרה׃
43Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin'i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
44ויצא האמרי הישב בהר ההוא לקראתכם וירדפו אתכם כאשר תעשינה הדברים ויכתו אתכם בשעיר עד חרמה׃
44Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.
45ותשבו ותבכו לפני יהוה ולא שמע יהוה בקלכם ולא האזין אליכם׃
45Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
46ותשבו בקדש ימים רבים כימים אשר ישבתם׃
46Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.