Hebrew: Modern

Malagasy

Deuteronomy

2

1ונפן ונסע המדברה דרך ים סוף כאשר דבר יהוה אלי ונסב את הר שעיר ימים רבים׃
1Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain'i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seira ela ihany isika.
2ויאמר יהוה אלי לאמר׃
2Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
3רב לכם סב את ההר הזה פנו לכם צפנה׃
3Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.
4ואת העם צו לאמר אתם עברים בגבול אחיכם בני עשו הישבים בשעיר וייראו מכם ונשמרתם מאד׃
4Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin'ny taranak'i Esao rahalahinareo, izay monina any Seira; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
5אל תתגרו בם כי לא אתן לכם מארצם עד מדרך כף רגל כי ירשה לעשו נתתי את הר שעיר׃
5ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira.
6אכל תשברו מאתם בכסף ואכלתם וגם מים תכרו מאתם בכסף ושתיתם׃
6Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
7כי יהוה אלהיך ברכך בכל מעשה ידך ידע לכתך את המדבר הגדל הזה זה ארבעים שנה יהוה אלהיך עמך לא חסרת דבר׃
7Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay rehetra nataon'ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
8ונעבר מאת אחינו בני עשו הישבים בשעיר מדרך הערבה מאילת ומעצין גבר ונפן ונעבר דרך מדבר מואב׃
8Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Moaba.
9ויאמר יהוה אלי אל תצר את מואב ואל תתגר בם מלחמה כי לא אתן לך מארצו ירשה כי לבני לוט נתתי את ער ירשה׃
9Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota.
10האמים לפנים ישבו בה עם גדול ורב ורם כענקים׃
10Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
11רפאים יחשבו אף הם כענקים והמאבים יקראו להם אמים׃
11Ireo koa no natao ho Refaita tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
12ובשעיר ישבו החרים לפנים ובני עשו יירשום וישמידום מפניהם וישבו תחתם כאשר עשה ישראל לארץ ירשתו אשר נתן יהוה להם׃
12Ary ny tany Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy ho lovany.)
13עתה קמו ועברו לכם את נחל זרד ונעבר את נחל זרד׃
13Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
14והימים אשר הלכנו מקדש ברנע עד אשר עברנו את נחל זרד שלשים ושמנה שנה עד תם כל הדור אנשי המלחמה מקרב המחנה כאשר נשבע יהוה להם׃
14Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran'ny mpanafika rehetra tamin'izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby, araka izay efa nianianan'i Jehovah taminy.
15וגם יד יהוה היתה בם להמם מקרב המחנה עד תמם׃
15Ary koa, ny tànan'i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby.
16ויהי כאשר תמו כל אנשי המלחמה למות מקרב העם׃
16Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
17וידבר יהוה אלי לאמר׃
17dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
18אתה עבר היום את גבול מואב את ער׃
18Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
19וקרבת מול בני עמון אל תצרם ואל תתגר בם כי לא אתן מארץ בני עמון לך ירשה כי לבני לוט נתתיה ירשה׃
19dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.
20ארץ רפאים תחשב אף הוא רפאים ישבו בה לפנים והעמנים יקראו להם זמזמים׃
20Izany koa no natao ho tanin'ny Refaita; fa ny Refaita no nitoetra tao tany aloha ka nataon'ny Amonita hoe Zamzomita.
21עם גדול ורב ורם כענקים וישמידם יהוה מפניהם ויירשם וישבו תחתם׃
21Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
22כאשר עשה לבני עשו הישבים בשעיר אשר השמיד את החרי מפניהם ויירשם וישבו תחתם עד היום הזה׃
22araka izay nataony koa ho an'ny taranak'i Esao, izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
23והעוים הישבים בחצרים עד עזה כפתרים היצאים מכפתור השמידם וישבו תחתם׃
23ary ny amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
24קומו סעו ועברו את נחל ארנן ראה נתתי בידך את סיחן מלך חשבון האמרי ואת ארצו החל רש והתגר בו מלחמה׃
24Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
25היום הזה אחל תת פחדך ויראתך על פני העמים תחת כל השמים אשר ישמעון שמעך ורגזו וחלו מפניך׃
25Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
26ואשלח מלאכים ממדבר קדמות אל סיחון מלך חשבון דברי שלום לאמר׃
26Dia naniraka olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
27אעברה בארצך בדרך בדרך אלך לא אסור ימין ושמאול׃
27Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
28אכל בכסף תשברני ואכלתי ומים בכסף תתן לי ושתיתי רק אעברה ברגלי׃
28vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho
29כאשר עשו לי בני עשו הישבים בשעיר והמואבים הישבים בער עד אשר אעבר את הירדן אל הארץ אשר יהוה אלהינו נתן לנו׃
29(araka izay nataon'ny taranak'i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitray anay.
30ולא אבה סיחן מלך חשבון העברנו בו כי הקשה יהוה אלהיך את רוחו ואמץ את לבבו למען תתו בידך כיום הזה׃
30Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
31ויאמר יהוה אלי ראה החלתי תת לפניך את סיחן ואת ארצו החל רש לרשת את ארצו׃
31Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
32ויצא סיחן לקראתנו הוא וכל עמו למלחמה יהצה׃
32Dia nivoaka Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
33ויתנהו יהוה אלהינו לפנינו ונך אתו ואת בנו ואת כל עמו׃
33Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
34ונלכד את כל עריו בעת ההוא ונחרם את כל עיר מתם והנשים והטף לא השארנו שריד׃
34Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
35רק הבהמה בזזנו לנו ושלל הערים אשר לכדנו׃
35Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
36מערער אשר על שפת נחל ארנן והעיר אשר בנחל ועד הגלעד לא היתה קריה אשר שגבה ממנו את הכל נתן יהוה אלהינו לפנינו׃
36Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.
37רק אל ארץ בני עמון לא קרבת כל יד נחל יבק וערי ההר וכל אשר צוה יהוה אלהינו׃
37Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.