Hebrew: Modern

Malagasy

Deuteronomy

19

1כי יכרית יהוה אלהיך את הגוים אשר יהוה אלהיך נתן לך את ארצם וירשתם וישבת בעריהם ובבתיהם׃
1[Ny amin'ny tanàna handosiran'izay mahafaty olona tsy nahy] Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
2שלוש ערים תבדיל לך בתוך ארצך אשר יהוה אלהיך נתן לך לרשתה׃
2dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
3תכין לך הדרך ושלשת את גבול ארצך אשר ינחילך יהוה אלהיך והיה לנוס שמה כל רצח׃
3Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.
4וזה דבר הרצח אשר ינוס שמה וחי אשר יכה את רעהו בבלי דעת והוא לא שנא לו מתמל שלשם׃
4Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
5ואשר יבא את רעהו ביער לחטב עצים ונדחה ידו בגרזן לכרת העץ ונשל הברזל מן העץ ומצא את רעהו ומת הוא ינוס אל אחת הערים האלה וחי׃
5toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
6פן ירדף גאל הדם אחרי הרצח כי יחם לבבו והשיגו כי ירבה הדרך והכהו נפש ולו אין משפט מות כי לא שנא הוא לו מתמול שלשום׃
6fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
7על כן אנכי מצוך לאמר שלש ערים תבדיל לך׃
7Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
8ואם ירחיב יהוה אלהיך את גבלך כאשר נשבע לאבתיך ונתן לך את כל הארץ אשר דבר לתת לאבתיך׃
8Ary raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
9כי תשמר את כל המצוה הזאת לעשתה אשר אנכי מצוך היום לאהבה את יהוה אלהיך וללכת בדרכיו כל הימים ויספת לך עוד שלש ערים על השלש האלה׃
9(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin'ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
10ולא ישפך דם נקי בקרב ארצך אשר יהוה אלהיך נתן לך נחלה והיה עליך דמים׃
10mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao.
11וכי יהיה איש שנא לרעהו וארב לו וקם עליו והכהו נפש ומת ונס אל אחת הערים האל׃
11Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo,
12ושלחו זקני עירו ולקחו אתו משם ונתנו אתו ביד גאל הדם ומת׃
12ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
13לא תחוס עינך עליו ובערת דם הנקי מישראל וטוב לך׃
13Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà marina, mba hahita soa ianao.
14לא תסיג גבול רעך אשר גבלו ראשנים בנחלתך אשר תנחל בארץ אשר יהוה אלהיך נתן לך לרשתה׃
14[Ny amin'ny tsi-famindrana fari-tany, sy ny amin'ny vavolombelona] Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
15לא יקום עד אחד באיש לכל עון ולכל חטאת בכל חטא אשר יחטא על פי שני עדים או על פי שלשה עדים יקום דבר׃
15Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
16כי יקום עד חמס באיש לענות בו סרה׃
16Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
17ועמדו שני האנשים אשר להם הריב לפני יהוה לפני הכהנים והשפטים אשר יהיו בימים ההם׃
17dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany;
18ודרשו השפטים היטב והנה עד שקר העד שקר ענה באחיו׃
18ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
19ועשיתם לו כאשר זמם לעשות לאחיו ובערת הרע מקרבך׃
19dia araka izay nokasainy hatao amin'ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
20והנשארים ישמעו ויראו ולא יספו לעשות עוד כדבר הרע הזה בקרבך׃
20Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.
21ולא תחוס עינך נפש בנפש עין בעין שן בשן יד ביד רגל ברגל׃
21Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.