Hebrew: Modern

Malagasy

Deuteronomy

20

1כי תצא למלחמה על איביך וראית סוס ורכב עם רב ממך לא תירא מהם כי יהוה אלהיך עמך המעלך מארץ מצרים׃
1[Ny amin'ny miaramila sy ny tafika] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao.
2והיה כקרבכם אל המלחמה ונגש הכהן ודבר אל העם׃
2Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny olona hoe:
3ואמר אלהם שמע ישראל אתם קרבים היום למלחמה על איביכם אל ירך לבבכם אל תיראו ואל תחפזו ואל תערצו מפניהם׃
3Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
4כי יהוה אלהיכם ההלך עמכם להלחם לכם עם איביכם להושיע אתכם׃
4fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
5ודברו השטרים אל העם לאמר מי האיש אשר בנה בית חדש ולא חנכו ילך וישב לביתו פן ימות במלחמה ואיש אחר יחנכנו׃
5Dia hiteny amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
6ומי האיש אשר נטע כרם ולא חללו ילך וישב לביתו פן ימות במלחמה ואיש אחר יחללנו׃
6Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
7ומי האיש אשר ארש אשה ולא לקחה ילך וישב לביתו פן ימות במלחמה ואיש אחר יקחנה׃
7Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
8ויספו השטרים לדבר אל העם ואמרו מי האיש הירא ורך הלבב ילך וישב לביתו ולא ימס את לבב אחיו כלבבו׃
8Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.
9והיה ככלת השטרים לדבר אל העם ופקדו שרי צבאות בראש העם׃
9Ary rehefa vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
10כי תקרב אל עיר להלחם עליה וקראת אליה לשלום׃
10Raha mby akaikin'izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
11והיה אם שלום תענך ופתחה לך והיה כל העם הנמצא בה יהיו לך למס ועבדוך׃
11Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
12ואם לא תשלים עמך ועשתה עמך מלחמה וצרת עליה׃
12Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
13ונתנה יהוה אלהיך בידך והכית את כל זכורה לפי חרב׃
13Ary rehefa atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
14רק הנשים והטף והבהמה וכל אשר יהיה בעיר כל שללה תבז לך ואכלת את שלל איביך אשר נתן יהוה אלהיך לך׃
14Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin'ny fahavalonao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
15כן תעשה לכל הערים הרחקת ממך מאד אשר לא מערי הגוים האלה הנה׃
15Toy izany no hataonao amin'ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan'ireto firenena ireto.
16רק מערי העמים האלה אשר יהוה אלהיך נתן לך נחלה לא תחיה כל נשמה׃
16Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
17כי החרם תחרימם החתי והאמרי הכנעני והפרזי החוי והיבוסי כאשר צוך יהוה אלהיך׃
17Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
18למען אשר לא ילמדו אתכם לעשות ככל תועבתם אשר עשו לאלהיהם וחטאתם ליהוה אלהיכם׃
18mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo.
19כי תצור אל עיר ימים רבים להלחם עליה לתפשה לא תשחית את עצה לנדח עליו גרזן כי ממנו תאכל ואתו לא תכרת כי האדם עץ השדה לבא מפניך במצור׃
19Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin'ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
20רק עץ אשר תדע כי לא עץ מאכל הוא אתו תשחית וכרת ובנית מצור על העיר אשר הוא עשה עמך מלחמה עד רדתה׃
20Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.